Nandritra ny fotoana nakana sary ho fanangonana tahirin-kevitra tany Kambodza ny mpanatontosa horonantsarimihetsika Roberto Serrini no nanana fotoana hitsidihana tanàna ambanivohitra sy ambonivohitra maro tao amin'ny firenena. Zatra mampiasa “drone” DJI Phantom sy fakantsary GoPro ny ekipany handraketana an-tsary ny hakanto mahasondriana an'i Kambodza. Nofariparitany ho ‘fotoana nampitolagaga’ ny fotoana nakana ny sarimihetsika:
On location in Phnom Pehn and the rural village of Anluk Leak, I was able to explore the cinematic beauty of this land from the sky.
A truly amazing experience, as many of these children have never seen a working television, let alone a flying drone; the mixture of excitement, trepidation, and awesome wonder was a treat to see on their faces.
Tany Phnom Penh sy ny tanàna ambanivohitr'i Anluk Leak no nahitako kanto an-tsarimihetsika avy eny an'habakabaka ity tany ity.
‘fotoana teny nampitolagaga, tsy mbola hitan'ny ankizy nandeha tamin'ny fahitalavitra hatrizay hatrizay, nentin'ilay “drone” nanidina; hita eny amin'ny endrin'ny ankizy ny fifangaroan'ny fientanentanana, fitaintainana ary fitalanjonana .
Indreto ambany indreto ny sary Flickr avy amin'ny dian'i Roberto tany Kambodza sasantsasany:
*Ny sary sy ny lahatsary dia avy amin'i Roberto Serrini, nahazoana alalana.