Lahatsarim-panadihadiana mandranty ny fandrahonan'ny fanarahamaso famantarantava ao Serbia

Iray amin'ireo fakantsary an'arivony manara-maso ao amin'ny lalan'i Belgrade, renivohitr'i Serbia. Saripikan'ny SHARE Foundation, nahazoana alalana.

Ny tantara etoana dia mifototra amin'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices ara-botoaty Meta.mk News Agency, ao anatin'ny tetikasan'ny Orina Mpanasoa Metamorphosis.

Naneho ny ahiahiny amin'ny fihasimban'ny fiainana an-takonana ao Serbia izay niafara amin'ny fampidirana fakantsary fanarahamaso manana mpamantatra endrika ao an-drenivohitra Belgrade ny fandraisana an-tanana fanabeazana olompirenena antsoina hoe #hiljadekamera (‘kameraanarivony’ amin'ny teny anglisy). Ao anatin'ny fanentanana, nisy fandaharan-torohay mitovy lohateny amin'izany navoaka.

Navitrika tokoa ny governemanta serba sy ny orinasan-teknolojia shinoa miara-miasa amin'ny fanatanterahana ny fanarahamaso ny tetiasa, antsoina hoe Safe City, ao Belgrade nanomboka tamin'ny taona 2019. Ahitana fametrahana kamera fanarahamaso avo lenta an'arivony mamantatra zavatra sy endrika ity tetikasa ity. Anisan'ny amboara ahitana rafitra haranitsantsaina voatrolombelona ampiasaina hanadihadiana ireo sary voarakitra ireo kamera ireo.

Hiljade Kamera dia tarihan'ny SHARE Foundation, vondrona mpandala ny zo dizitaly Serba malaza niorina tamin'ny taona 2012 ary mpikambana ao amin'ny tambajotra momba ny Zo Dizitaly Eoropeana (EDRI). Ao amin'ny tranonkalany (hiljade.kamera.rs), izay nanomboka ny volana Mey 2020, mamaritra ny tenany ho “fiarahamonin'olontsotra sy fikambanana miteny ho amin'ny fampiasana tompon'andraikitra ny teknolojiam-piarovana” ny tetikasa. Manosika ho amin'ny fampanajana ny zon'ny fiainana an-takonana sy ny tamberina andraikitra manoloana ny fandaharan'asam-panjakana momba ny fanarahamaso izany amin'ny alalan'ny tetikady maromaro, tahaka ny fandraketana an-tsarintany ifarimbonana, ny fananganana fiarahamonina, ny fikarohana, ny fiarovana ary ny famokarana votoaty.

Namokatra lahatsary fohy mamintina ny toe-javatra ny SHARE Foundation. Amin'ny teny Serba ahitana dika an-tsoratra amin'ny teny anglisy ny lahatsary.

Ao amin'ny lahatsary, naneho ny ahiahiny momba ny tetikasa fanarahamaso ireo manam-pahaizana manokana sy solontenan'ny fisantarana andraikitra sy ny Fahefana Serba misahana ny Fiarovana Lahatahiry.

Bojan Perkov, mpikaroka momba ny politikam-panaovan-dalàna ao amin'ny Orina Mpanasoa SHARE nanamarika tao amin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny 19 Mey, fa mitozo eo amin'ny  “fiarahamiasa ara-teknika sy ara-toekarena” ny governemantan'i Serba sy Shina hatramin'ny taona 2009, raha nanasonia ny fifanarahan'ny roa tonta voalohany. Taona maro taty aoriana, nisy ny fiarahamiasa strategika teraka teo amin'ny minisitry ny atitany Serba sy ny Huawei, nanokatra lalana amin'ny fametrahana ny tetikasa “Safe Society in Serbia”. Nandritra ny volana maro lasa, kamera maro vaovao no naparitaka manerana an'i Belgrade.

Nanontany bebe kokoa ny maha ara-dalàna ny fanatanterahana ny fandaharan'asa i Perkov:

Even though the Ministry was obliged by law to conduct a Data Protection Impact Assessment (DPIA) of the new smart surveillance system, it failed to fulfil the legal requirements, as warned by civil society organisations and the Commissioner for Personal Data Protection.

Na dia noteren'ny lalàna hanao fanombanana momba ny fiantraikan'ny fiarovana lahatahiry (AIPD) amin'ny rafitra fanarahamaso somaritra aza ny minisitera, dia tsy feno ireo fepetra ara-dalàna, araka ny asongadin'ny ahiahin'ireo fikambanan'olom-pirenena sy ny kaomiseran'ny fiarovana lahatahiry.

Ny fandrahonan'ny fanarahamaso biometrika

Ahitana ny fandraisana anjaran'i Ella Jakubowska avy ao amin'ny European Digital Rights (EDRi=Zo Dizitaly Eoropeana), tambajotra lehibe mpitaridalana amin'ny fiarovana ny zo dizitaly any Eoropa, izay nanoritra ny loza ateraky ny fanarahamaso ny daholobe ny lahatsarim-panadihadiana:

There’s a real sense of empowerment from being able to express yourself differently and suddenly, if you’re forced to conform, this composes a real threat to your identity. It really challenges your sense of dignity and who you are as a person and who you’re allowed to be in your society in a way that’s very dangerous.

Misy ny fahatsapana fahafahana maneho hevitra amin'ny fomba hafa sy tampoka, raha voatery hanaraka fepetra ianao, mitera-doza tokoa amin'ny mari-panondroanao io. Manohintohina ny fahamendrehanao sy ny maha olona anao ary avela ho eo anivon'ny fiarahamonina amin'ny fomba tena mampidi-doza ianao.

Ity ampahany ity dia ao anatin'ny antsafa feno notontosain'ny Orina Mpanasoa SHARE izay manome tokotanin-tsehatra midadasika kokoa amin'ny fandrahonan'ny fanarahamaso biometrika ny daholobe amin'ny zo sy ny fahafahan'olombelona.

Ao amin'ny kamera fanarahamaso misy rindrambaiko mamantatra tava, pihana ny tava ary hadihadiana hamantarana olona iray amin'ny fampanitsiana olona iray misy ao amin'ny tobin-dahatahiry.

Nanamarika Ms Jakubowska:

Any society that looks to stratify people based on how they look, based on their health, based on their data and things about them, is an incredibly authoritarian and sinister society. The societies throughout history that have tried to separate and stratify people based on data about them are the sort of authoritarian societies that we want to stay as far away as possible from…

Fiarahamonina tena tsirefesimandidy sy lozabe indrindra izay fiarahamonina rehetra te-hanasokajy olona araka ny endrika ahitana azy, araka ny fahasalamany ao amin'ny lahatahiriny sy ny zavatra momba azy. Ny fiarahamonina ao amin'ny tantaram-pirenena miezaka manavaka sy manasokajy ny olona avy amin'ny lahatahiry momba azy ireo no karazana fiarahamonina tsirefesimandidy tianay ialana lavitra indrindra araka izay azo atao…

Soritsoritan'ny solontenan'ny EDRI fa “ilain'ny vahoaka ireo olona eo amin'ny fahefana hanao tamberin'andraikitra, hilazana fa tsy ilaina ny fanarahamaso rehefa hitandry zareo izany ary mandray anjara amin'ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpikatroka izay miezaka ny hampibaribary ireny fanorenana (fitsikilovana) miafina ireny.” Ny fiaraha-miasan'ny mpandray anjara rehetra sy ny fangatahana adihevitra ampahibemaso no fanalahidy hisorohana toe-javatra kasain'ny eo amin'ny fahefana tsy ahafahan'ny olompirenena manapa-kevitra, fa apetraka eo ampela-tanan'ireo orinasa tsy miankina na ny polisy ihany izany, hoy izy nanampy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.