Mifandray amin'ny alalan'ny fanentanana antserasera hanoherana ny fifanarahan'i Shina sy Iran ny Iraniana sy ny Hongkongers

Pikantsarin'ny fanehoa-kevitra ao amin'ny pejy Instagram LIHKG. Avy amin'ny Facebook LIHKG.

Amin'ny fampiasana farangon-teny #China_get_out_of_Iran [Shina mialà amin'i Iran], maro amin'ireo Iraniana mpisera Instagram (IG) no nanakatra ny tanan'ny pejy Reddit avy ao Hong Kong izay mitovy amin'ny IG LIGHK, nisarika ny fifantohan'ny Hongkongers tamin'ny faha-25 taonan’ny fifanarahana ara-barotra sy ara-miaramila novolavolain'i Shina hosoniavin'i Iran.

Amin'ny fihoarana ireo sakana ara-pitenenana sy ara-kolontsaina amin'ny fanatonana miresaka amin'ireo Iraniana mpiserasera, manampy amin'ny fampiroboroboana ny fanentanana amin'ireo sehatra media sosialy isa-karazany ny mpisera LIGHK.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, sehatra famoaham-baovao maro no nitatitra fa nahapetraka voambolam-piarahamiasa maharitra 25 taona i Shina sy Iran — fifanarahana anaovan'ny gazetiboky Forbes sosokevitra  fa mety mitentina hatramin'ny 400 milara dolara US.

Araka ny drafi-pifanarahana azon'ny The New York Times, Hampiasa vola amin'ny fotodrafitrasa ho an'i Iran i Shina — tafiditra anatin'izany ny fananganana banky, fifandraisandavitra, seranana, ary lalamby — raha hanome solika mora dia mora vidy ho an'i Shina kosa i Iran. Mety hanana fiantraikany goavana dia goavana eo amin'ny fifandraisana iraisampirenena sy eo amin'ny Jeopolitika izao fifanarahana izao, amin'ny famelana an'i Shina hametraka ny tara-pahazavany ao Afovoany Atsinanana sy Eorazia, izay mety hiteraka fandrahonana amin'ny tombontsoa Amerikana.

Angamba noho ny famoretana fatratra ny fahalalaham-pitenenana ataon'ny governemanta iraniana, sy ny sakana ara-pitenenana eo amin'ny firenena roa tonta, sehatra famoaham-baovao vitsy dia vitsy no nitatitra ny fomba niontanan'ny olompirenena iraniana tamin'ny vaovaon'ny fiaraha-miasa.

Raha mbola miezaka mafy dia mafy ny Iraniana hiteny, voalohany indrindra ao amin'ny lalamben'ny media sosialy. Namoaka ny pikantsarin'ny sasantsasany amin'ireo fanehoa-kevitra ao amin'ny Twitter ny LIGHK:

Mitady tosika amin'ny [Shina mialà amin'i Iran] ao amin'ny pejy IG ny vahoaka avy ao Iran

Iraniana mpisera Twitter @h.vahidel niezaka nanazava ny fifanarahana eo amin'i Iran sy i Shina amin'ny Hongkongers:

An island in Iran has been bought by China’s government and oil operation for 25 years. This is a kind of colonization.

Nisy iray ao Iran novidian'ny governemantan'i Shina sy mpandraharaha ara-tsolika 25 taona. Karazana fanjanahantany izao.

Iraniana mpisera media sosialy iray hafa, @dearlostkarma, nanampy:

Hey, iranian here. First i must apologise for some of the misunderstanding, the iranian officials are going into a contract with ccp that gives them military and land access for 25 years including ports and maritime routes, they have also agreed that china may occupy some islands in Persian Gulf. Fellow iranians who have protested against this deal with ccp were attacked by the 五毛 [WuMao are pro CCP trolls] and as they struggled to find ccp related forums they resorted to spam this message here…

Ô ry Iraniana etoana ô. Voalohany tsy maintsy miala tsiny aho amin'ny tsy fifankahazoana sasantsasany, eo ampifanarahana amin'ny aks izay manome alalana azy ireo hahazo miaramila sy tany ao anatin'ny 25 taona ny manampahefana iraniana ka ao anatin'izany ny seranantsambo sy lalana an-dranomasina, nifanaraka ihany koa ry zareo fa afa-mibodo nosy ao amin'ny Oala Persiana ry zareo. Ny iraniana mpiray tanindrazana nanohitra io fifanarana tamin'ny aks io dia notafihan'ny 五毛 [WuMao mpandoto rindrina pro CCP (AKS)] ary miezaka ry zareo mitady tsenan-kevitra miaraka amin'ny aks manao izay handotoana ity hafatra eto ity

Ireo nosy lazain'ny mpisera Iraniana ireo dia manondrona an'i Kish sy i Qeshm. Tamin'ny taona 2016, nisantatra fampitambaran'orinasa amin'i Iran i Shina hananganana fitodian-tsolika iray ao Qeshm. Misy mpitsikera sasantsasany ihany koa mino fa mikasa hametraka fijoroa-miaramila ao amin'ny faritra i Shina amin'ny fanofàna ny nosy Kish.

Ho valin'ny fangatahan'ny Iraniana mpiserasera hifantoka amin'ny raharaha, niantso hanaovana hetsika firaisankina ao amin'ny media sosialy amin'ny alalan'ny fampiasana farangoteny ahitana #فروش_ایران_ممنوع (midika hoe tsy amidy i Iran), #چین_برو_گمشو (midika hoe mbay tany ry Shina), #No2IRChinaTreaty, ary #China_get_out_of_Iran [Shina mialà amin'i Iran] ny mpiseran'ny LIHKG.

Mpisera Twitter iray namaly ny antso ary nandrisika ny mpanjohy hanatevin-daharana ny fanentanana an-tserasera:

Hobodoin'i Shina i Qeshm, nosy iray an'i Iran. Iraniana be herimpo maro no mitady vonjy avy amin'ny iraisampirenena. Avy amin'izany no iangaviana hanampiana azy ireny! lasibatry ny halozàn'ny AKS ihany koa ry zareo.

Nanoratra i Jordan Pang, mpanolotsaina distrika pro-demaokrasia ao Hong Kong:

Mandritra izany fotoana izany ny vahoaka ao Iran miantso ny hialan'i Shina amin'i Iran
Nomen'i Shina Coronavirus ianareo ary ankehitriny ianareo manome solika an'i Shina, ô ry Iran a!
Rehefa mihaona amin'i Shina i Iran

Nanazava ny fifanarahana i Sunny Cheung mpianatra mpikatroka ao Hong Kong:

Miantso ny fampitsaharana ny fifanarahan'i Iran ara-toekarena sy ara-piarovana amin'i Shina ny Iraniana. Nanatobaka vola amin'ny fahasahiranan'i Iran ara-bola amin'ny tsy fahefana manefa trosa i Shina. Ny zavatra efa niainan'ny vahoakan'i HK no porofo fa tsy hanaja ny fampanantenany velively ny AKS

Manerana ny tontolon'ny bilaogy, mifampiresaka ny Hongkongers sy ny Iraniana, mivondrona amin'ny raharaha:

Misaotra anareo. Mijoro miaraka aminareo izahay
Te-hifehy izao tontolo izao ny halozàn'i Shina. Tokony hijoro miaraka ny tontolo afaka ary hanohitra an'i Shina.
Miala an'i Iran ry Shina
Aza adinoina ny manao ankivy ny vokatra shinoa

Tohano ny Iraniana! Tokony hampitsahatra ny fanjanahantanin'i Shina izao tontolo izao!

Amin'izao fotoana izao dia tsy mbola navoakan'ny manampahefana Iraniana amin'ny fomba ofisialy ny antsipirian'ny fifanaraham-piaraha-miasa maharitra 25 taona noho ny filazan-dry zareo fa mbola eo ampamitàna ny fizotran'ny antsipirian'ny fifanarahana ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.