515 Andro Taty Aoriana, Mitarika Fanontaniana Maro Ho An'ny Fianakaviana Ny Potipoti-javatra Hita Tamin'ilay Fiaramanidina 370 Tao Shina

Ny 7 aogositra teo, nipetraka teo ivelan'ny masoivohon'i Malezia ao Beijing ireo fianakavian'ny MH370. Sary avy tamin'ny mpampiasa Twitter: Tom Philips

Taorian'ny herinandro iray nandinihana ireo potipoti-javatra tonga teo amin'ny tanin‘ny Nosy La Réunion izay nataon'ireo ekipan'ny fanadihadiana iraisam-pirenena, “nanamafy tsy nisy fihambahambana” ny Praiminisitra ao Malezia fa avy amin'ny  elatr'ilay fiaramanidina “Sidina Malaysia Airlines 370″ avy any Beijing ila potika elatra .

Fa tamin'ny resaka ho an'ny mpanao gazety nataony dia somary nisalasala ihany ireo mpiara-miasa frantsay mpanadihady. Nambaran'izy ireo fa “betsaka ny ahafahana manombatombana” hoe potipoti-javatra avy amin'ilay Boeing 777 ireo, izay nanjavona ny  maraimbe tamin'ny 8 martsa 2014, taorian'ny nialàny tao Kuala Lumpur.

Ny 6 aogositra aza,nandefa mailaka iray ho an'ny fianakavian'ireo tsy hita ny “Malaysia Airlines”, izay nilaza fa efa niara-voamarin'”Ireo Tompon'andraikitra Frantsay, ny Biraon'ny Fanadihadiana sy Fandalinana ho an'ny Fiarovana ny Sidina Fiaramanidina Sivily (BEA), ny Ekipa Maleziana Mpanadihady, ny Solontena Ara-teknika avy amin'ny PRC sy ny Australian Transportation Safety Bureau (ATSB), fa avy tamin'ny sidina 370 ireo potipoti-javatra ireo.

Ireo fifanoheran-kevitra ireo no nandrehitra indray ny hasosorana teo amin'ireo fianakavian'ny mpandeha tao anatin'ilay fiaramanidina tsy hita.

Vao tsy ela akory, nivondrona teo ivelan'ny biraon'ny “Malaysian Airlines” ao Beijing ireo fianakaviana sinoa ny 6 Aogositra teo, mangataka tatitra feno mikasika ilay fiaramanidina nianjera, mbola mitomany ireo malalany tsy hita. Mpitandro  filaminana ampolony no nibahana azy ireo tsy hiditra ilay tranobe. Nolavin'ny Malaysia Airlines ny fangatahan'ireo fianakaviana mba hanamoràna ny fandehanana any amin'ny nosy La Réunion hijery ny potik'ilay fiaramanidina.

Namoaka taratasy iray tamin'ny aterineto ny komitin'ny ikambanan'ireo fianakaviana, namotsipotsitra ny “Malaysia Airlines” miaraka amin'ireo andian-teboka mampiahiahy momba ilay potipotik'elatra hita :

对于这样草率并且不透明的认定,家属们很难认同,试问一个如此孤立的残骸,怎能证明飞机的确坠海?又如何能证明该部件是事故中脱落损坏的?若真坠海,为何当初调动了若干卫星扫测南印度洋,连122只海鸥都清晰识别,却无法看到一架由高空坠下的大型波音飞机?!至于曾断言飞机整体入海的“砖家”们,想必也太高估了驾驶员的水平。我们并不是阴谋论者,只是事件如此蹊跷,官方在明知飞机折返的情况下,还坚持诱导多国搜索部队在南海搜索!经家属亲自验证的马尔代夫居民称看到的大型客机直到今日也没有告知到底是哪个航班,来自哪家航空公司!为何飞机的折返点会在整个航行过程最容易产生混乱的空管区交界处?类似的未解答案还有太多太多……

Hitan'ireo fianakaviana fa mafy ny hanaiky ity fanamafisana maimaika sy tsy mangaraharaha ity. Ahoana no hahazoana manaporofo amin'ireo potipotika fa nianjera tany andranomasina ny fiaramanidina? Ahoana no nanaporofoanao fa vaky vokatry ny loza io fangaro io? Raha tena azo antoka fa nianjera tany andranomasina [ny fiaramanidina], nahoana no tsy vitan'ireo zana-bolana maro nitaratra ny Ranomasimbe Indiana, izay nahalala mazava tsara ireo voron-dranomasina 122, ny hahita fiaramanidina Boeing goavam-be iray nianjera avy any an-danitra? Raha araka ireo manampahaizana izay nanamafy fa natelin'ny ranomasina ny fiaramanidina, mety ho manome lanja tafahoatra ny fahaizan'ny mpanamory izy ireo. Tsy olona mino aho hoe nisy tsikombakomba tao [tamin'ny loza], saingy mampiahiahy kokoa ireo tranga miaraka amin'ny hoe ny fanjakana [Maleziana] izay nahalala fa nihodina teny amin'ny antsasa-dalana ny fiaramanidina, saingy nanitrikitrika ny hampidirana ireo ekipa maro isankarazany iraisampirenena [hikaroka ny fiaramanidina] tao amin'ny Ranomasina Atsimo! Nanana fanamafisana iray avy any Maldives ireo havan'ny [mpandeha] hoe nahita fiaramanidina goavam-be, saingy tsy fantatra mihitsy firy ny laharan'ilay fiaramanidina, na an'iza io fiaramanidina io? Nahoana ny teboka nihodinan'ny fiaramanidina no hita teo faritry ny habakabaka teo amin'ny làlan-tsidina? Betsaka ny fanontaniana no mbola tsy nahitana valiny…..

Tamin'ny tafatafa taty aoriana niaraka tamin'ny vavahadin-tserasera Tencent, nanao fanangonan-tsonia ny komitin'ireo fianakaviana mba hisian'ny fanadihadiana mangarahara kokoa momba ny toerana farany nalehan'ilay fiaramanidina:

首先这片孤立残骸的鉴定过程并不足够公开透明,我们曾要求官方提供更多的详细照片和数据,分享给公众,由民间人士共同帮助鉴定残骸身份,但官方置之不理。其次,仅仅凭一个所谓残骸就断定飞机坠海,太过牵强,如果真的坠海,一定会有更多的碎片等物证,目前这样的残骸数量,对于飞机最后的下落并不具有任何说服力。

Voalohany indrindra, tsy mangarahara ho an'ny vahoaka ny dingana famantarana natao an'ireo poti-javatra nitokana ireo : ny fitakianay – izay tsy noraharahain'ny fanjakana [ao Malezia] – dia ny  tokony hanomezan'ny fanjakana [ao Malezia] sy hizaràny ny sary sy angon-drakitra misy antsipirihany bebe kokoa amin'ny vahoaka, ary hiaraka amin'ny  vahoaka mahaleotena [tsy miankina] amin'ny fanjakana mba hamantatra izay niavian'ireo potipotika ireo. Faharoa, tena lavitra hiheverana ireo lazaina ho potipotik'ilay fiaramanidina ireo ho afaka hanaporofoana fanianjera tany andranomasina ny sidina. Raha izany no izy, tsy maintsy ho maro ireo potipotika natao ho porofo. Ny vakin'ilay fiaramanidina hita ankehitriny dia tsy afaka hanekena tanteraka izay nalehan'ilay sidina.

A widely circulated sticker highlighting the 515 sleepless nights of the families of passengers in the missing flight.

Marika famantarana mivezivezy be niely patrana nanasongadina ny alina 515 ts nahitana tory ho an'ny fianakavian'ireo mpandeha tamin'ilay fiaramanidina tsy hita

Amin'ny maha-media mifamatoka amin'ny antoko eo amin'ny fitondra ny the Paper, notateriny tamin'ny 7 aogositra fa maro tamin'ny fianakavian'ireo tsy hita niaraka tamin'ilay fiaramanidina no mijaly vokatry ny ady trosa navelan'ireo mpandeha. Saingy manohy mandà ny onitra ofisialy ry zareo mandra-pahatratrarana fehin-kevitra voalanjalanja.

 

Mbola mitohy milona ao anaty alahelo ireo havana, izay mikiky ny ara-tsaina sy ny ara-batan'izy ireo. Ao amin'ny Weibo, toy ny Twitter ho an'i Shina, havana iray —  izay ny anarany ety anaty efijery dia “A wandering fish – Trondro mirenireny” — nampiseho ny pikantsarin'ilay mailaka fanamafisana avy amin'ny Malaysia Airlines tamin'ny 6 aogositra teo, nitarika fihetseham-pony nila ho tonga yamin'ny famoizam-po :

515天,我吃不下饭,睡不着觉,在外还要还要装的像正常人一样。几天前查血,血红蛋白已掉到62了。依然强打着精神等你回家。可我等到了什么?凌晨两点马航电邮我说,残骸确定是370的。为什么?我不明白为什么…为什么…

Nandritra ny 515 andro lasa, tsy nahavita nihinan-kanina aho sady tsy nahita tory, saingy mijoro mba ho tahaka ny olona ara-dalàna ivelan'ny trano. Andro maromaro lasa izay, nanao fitiliana rà toy ny fahazarana aho, nilatsaka ho 62 ny tahan'ny liomena, saingy mbola niezaka ny hatanjaka aho mba hiandry ireo vaovao sasany. Na izany aza, inona no andrasako? Nanamafy ny mailaka avy amin'ny Malaysia Airlines tamin'ny 2 maraina, fa ireo potipotika [elatra] dia ampahany tamin'ny fiaramanidina 370. Fa nahoana? Tsy fantatro hoe ahoana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.