Nahazo sazy an-tranomaizina 10 volana ilay lehiben'ny polisy Koreana Tatsimo teo aloha noho ny fiampangana lainga nataony tamin'ilay filoha teo aloha efa any amin'ny varo-tsy-mifody izay nolazainy fa manana kaonty miafina amin'ny banky amin'ny anarana sandoka. Tamim-pifaliana no nandraisana ny didy navoakan'ny fitsarana, saingy nitaraina ny sasany tamin'ireo mpisera aterineto fa tara loatra vao noraisina ny fanapaha-kevitra, efa marobe anefa ireo ratsy vitany.

Sariitatr'ilay lehiben'ny polisy teo aloha, Cho Hyun-oh. Sary avy amin'ny mpisera Flickr @okkokin (CC BY-ND 2.0)
Mangidy hoditra eo amin'ny liberaly sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona i Cho Hyun-oh noho ny fanaraha-maso ataony amin'ireo olo-tsotra sy ireo tsikera [ko] ary koa noho ny famoretana feno herisetra [ko] notarihany manoloana ireo fihetsiketsehana izay namoizana ain'olona ampolony. Ao amin'izay inoana fa misy resaka ara-politika no nahatonga ny fitoriana ny filoha mamim-bahoaka teo aloha Roh Moo-hyun ho manao kolikoly, nilazan'i Roh fa manana kaonty miafina any amin'ny banky i Cho kanahatonga an'i Roh namono tena [ko].
Nilaza i Cho fa tamin'ny loharanom-baovao tsy fantatra anarana no nahazoany vaovao momba ilay kaonty miafina, fanambarana izay vitany ny nanamarina izany hatramin'izao arysokajian'ny maro ho toe-draharaha tsy misy fototra [ko]. Nomelohin'ny Fitsarana ao amin'ny Distrika Afovoany ao Seoul i Cho fa manala baraka ny filoha teo aloha izay efa namoy ny ainy ary nentina teo anatrehan'ny fitsarana izy tamin'ny 20 Febroary 2013 .
Tamim-piderana tanteraka no nandraisan'ny olona ny didim-pitsarana [ko], saingy sarotra ny hanonitra ny ratsy sy ny fahasimbana efa vitany :
@histopian: “노무현이 자살한 건 거액의 차명계좌가 발각됐기 때문”이라고 했던 전 경찰청장 조현오씨가 법정구속됐군요. 하지만 아직도 그의 말을 믿는 사람 많을 겁니다. 사실 여부에 관계없이 그저 제가 믿고 싶은 대로 믿는 사람들.
sy
Tsaroana ho toy ny tranga mampahonena indrindra teo amin'ny tantaran'ny Koreana vao haingana ny fahafatesan'i Roh, reformista, ka niteraka ady goavana sy fisaraham-bazana teo amin'ny vondrona ankavanana sy ireo progresista (lia-pandrosoana)
@100hyeryun: 조현오를 법정구속한 이성호 판사의 양형이유 “피고인의 발언으로 국민은 뭔가 있겠지라는 의심을 갖게 됐고 그런 의심은 노전대통령을 지지하는 국민과 비판하는 국민 사이에 너무나 큰 국론분열을 일으켰다.”핵심을 찌른 판결 이유였습니다.
Nanontany ny antony niandrasana ela tamin'ny famoahana ny didy ireo mpiserasera marobe, na dia manohana izany didy izany aza. Mampitaha izany tamin'ny fisamborana haingana tsy nisy toy izany an'i pasitera Jo [ko] izay voampanga ho nanely tsaho momba ny filoha-voafidy Park Geun-hye, hoy ity mpanao gazety @welovehani nanoratra [ko]:
@welovehani: 박근혜 허위사실 유포 혐의 피고발 목사 하루만에 체포한 검찰. 노무현 허위사실 유포 혐의 피고발 조현오. 검찰 출석까지 1년9개월.
Na dia maro aza ireo nandray am-pifaliana ny vaovao momba ny fisamborana an'i Cho, mpisera Twitter vistivitsy niadi-hevitra raha karazana sazy voalohany ny fisamborana olona noho ny fanalam-baraka izao :
@sungsooh: 물론 조현오씨 사례는 고위직에 있는 사람의 무책임한 발언이었고 후속행위 등을 고려할 때 죄질도 나쁘다고 봅니다. 명예훼손죄가 존치하는 한 당연히 유죄라고 봅니다만, 그럼에도 명예훼손에 대해 인신구속을 하는 것은 찬성하기 어렵네요.
Mpisera @naticle nankatò izany ahiahy izany, saingy nanampy hoe [ko]:
@naticle: […]그러나 조현오씨의 경우에는 적용되기 힘든 것이 죽은 사람은 반론할 기회가 없는데 주장을 거듭했어요