Manafàna Ny Adi-hevitra Momba Ny Fanivaivàna Mpanjaka ny Raharaha Somyot
Taorian'ny nitazonana azy nandritra ny 21 volana sy ny tsy namelana azy hahazo fahafahana vonjimaika in-12 misesy dia nomelohin'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava ao Bangkok ho nanitsakitsaka ny lalàna tamin'ny fanivaivana ny Manjaka ny mpikatroka Somyot Prueksakasemsuk. Tamin'ny mahatonian'ny gazety-boky Feon'i Taksin (noraràna tamin'ny 2010) azy dia voafelaky ny fanagadrana maharitra folo taona noho ny famoahana lahatsoratra ‘manompa’ ny fiandrianana i Somyot. Namoaka dika an-tsoratra amin'ny teny anglisy tsy ofisialy ny fehin'ny didim-pitsarana i Piangtawan Phanprasit:
Ahitana fanaratsiana, fanompana ary fandrahonana ny Mpanjaka ny votoatin'ny lahatsoratra maro navoakany. Fa ny famoahana, fampielezana ary ny fanapariahana ny lahatsoratra dia efa ahafaha-manondro ny fikasana hanaratsy, hanompa ary handrahona ny Mpanjaka ka efa manitsaka ny Fehezan-dalàna andininy faha 112. Ny famoahana lahatsoratra roa amin'ny fotoana roa samihafa dia efa manorina fanitsakitsakana roa samihafa.
Nampiraingiraingy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ny vondro-gazety lehibe izany didim-pitsarana izany ka niampangany avy hatrany ny didim-pitsarana ho toy ny famelezana ny fahalalaham-pitenenana.
Napetrak'i Bangkok Pundit ny rohy manamarika fa ity raharaha Somyot ity no fahatelo iampangana ny fanivaivana ny Mpanjaka nandritra ny volana lasa:
Eny fa na dia nihavitsy aza ny raharaha ary azo heverina ho taona “tsara” ihany ny 2012 raha jerena ny isan'ny olona voaheloka ho nanao fanivaivana Mpitondra, dia ity no fanintelony nitranga tamin'ny volana lasa. Nipongatra indray ankehitriny (farafaharatsiny) ny raharaham-panivaivana Mpanjaka. Fanivaivana ho nanompa na nanaratsy mpitondra fa tsy fandrahonana
Efa nisy ny fiovam-pihetsika manoloana ny fanivaivana ny mpanjaka tao anatin'izany dimy taona lasa izay. Saingy, araka ny hita amin'ny fanemorana ny fanitsiana ny lalampanorenana, dia akisaky ny fitondrana etsy ankilany avokoa ny raharaha mety hitarika fifanandrinana rehetra.

Mpianatra Miantso ny hamotsorana an'i Somyot nandritra ny lalao baolina fandaka tao amin'ny oniversite iray. Saripika @anuthee
Mahalala ny dikan'ny hetsiky ny mpianatra manohitra ilay lalàna mampiady hevitra i Saksith Saiyasombut:
Mahatalanjona ihany rehefa ny mpianatra (na ny tanora amin'ny ankapobeny) no heverina ho tsy liana na mazoto loatra amin'ny resaka politika (tahaka ny taloha). Ary mitolona manokana amin'ny fijeriny momba ny fanivaivana mpanjaka ny ao amin'ny Oniversite Thammasat
Raha heverina ho tsy azo vinavinaina noho ny tsy fahazotoan'ny governemanta hanao izany ny isian'ny fiovàn-dalàna momba ny fanivaivàna mpanjaka – na dia manana ireo mpifidy azy ao amin'ny Mena Akanjo aza izy – ireo tantara rehetra ireo no mampiseho fa momba velona sy mandeha tsara ny adi-hevitry ny olona momba ny fanivaivàna mpanjaka (lèse majesté).
Ratch, izay manoratra ao amin'ny bilaogin'ny Mena Akanjo, dia te-hilaza fa mety hahazo amnistia (famotsora-keloka) avy amin'ny governemanta i Somyot:
Raha jerena ny fidiran'ny resaka politika amin'ity raharaha Somyot ity, dia manantena ny UDD fa azo ampiharina aminy ny volavolan-dalàna momba ny famotsora-keloka. Voalazan'ny drafi-pehezan-dalàna fa “ny olona rehetra izay voaheloka noho ny resaka politika rehetra hatramin'ny nisian'ny fifandonana ara-politika tamin'ny 1 Janoary 2006 ka hatramin'ny 31 Desambra 2012″ dia tokony avotsotra avy hatrany.
Manisika amin'ny hanaovana fanitsiana ny andininy faha-112 izay fariparitana matetika ho fepetra henjana indrindra manerantany eo amin'ny sehatra fanivaivàna ny ao amin'ny Cross Cultural Foundation:
Tokony hiezaka hanao izay hanitsiana ny Fehezan-dalàna faha-112 hifandraika kokoa amin'ny rafitra demokratika ary mifanaraka kokoa amin'ny adidin'i Thailand hanaja ny andininy faha-19 amin'ny Dina iraisampirenena momba ny zo ara-tsivily sy ara-politika. Tokony ahitsy hifanaraka amin'ny fahenjanan'ny fandikan-dalàna ny fanasaziana. Tsy ho tontosa ao anatin'ny fampiharana lalàna mavesatra loatra sy tsy mifanaraka amin'ny demokrasia ny fiarovana ny fitondram-panjaka.

Mpianatra manohitra ilay lalàna mampiady hevitra momba ny fanivaivàna ny mpanjaka. Sary avy amin'ny takelaka Flickr an'i Prachatai
Nadikan'i Holger Grafen tsy amin'ny fomba ofisialy ny kabarin'ny Dr. Tul Sittisomwong izay manohana ny fampiharana ny lalàna misahana ny fanivaivàna ny mpanjaka ao Thailand:
Isika ato amin'ny fiaraha-monina Thai no mihevitra fa tsy azo leferina izany olona manaratsy, manompa ary mandrahona mpanjaka izany. Ary isika no milaza fa avo kokoa noho ny taloha ny fanagadrana, 3 ka hatramin'ny 15 taona, ilazana ny havesany, miangavy tsy hanao izany.
Izao izany no izy. Tsy resaka raharaha Somyot ihany. Izay rehetra manaratsy, manompa na mandrahona ny mpanjaka, ny mpanjakavavy.
Nahoana, nahoana ny vahoaka na fiaraha-monina Thai no manaiky fa tsy resaka zon'olombelona io, tsy resaka fahalalaham-pitenenana.
Brad Adams, Talen'ny Human Rights Watch ao Azia, manazavazava ny didy ho fanapoahana ny zo hiteny malalaka:
Tahaka ny maka ny andraikitry ny fitarihana ny fiarovana ny fitondram-panjaka ka lasa manohintohina ny zo hiteny malalaka ny didim-pitsarana
Tarataratra ho mirona kokoa ho amin'ny fanitsiana ny lalàna momba ny fanivaivàna ny mpanjaka ny didim-pitsarana eo amin'ny raharaha Somyot miohatra amin'izay mety ho fahavoazana manjò ny fiandrianana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...