Nandefa balafomanga i Korea Avaratra tamin'ny 12 aprily 2012 na dia teo aza ny fampitandremana iraisam-pirenena sy ny fandrahonana fanokana-monina mafimafy kokoa. Indrisy anefa, fa nipoaka tanteraka ny balafomanga taoriana indrindra ny nandefasana azy ka nilatsaka tao anaty ranomasina ny potiny. Niteraka fanehoan-kevitra marobe teo anivon'ny aterineto Koreana-tatsimo izany voina izany.
Tsikera momba ny fandaniam-bola goavambe tamin'ny nandefasana ny balafomanga no fanehoan-kevitra hita voalohany mikasika ny vaovao fandefasana balafomanga, volabe izay tokony hanampiana ireo Koreana Avaratra an-tapitrasany matin'ny hanoanana. Eto ny fanehoan-kevitra avy amin'ib Kim Sun-jun (amin'ny teny koreana) :
1년치 옥수수를 다 태워 버렸네.

Miaramila Koreana-tavaratra mitazana any atsimo nandritra ny fanazaran-tenan'izy ireo tao amin'ny faritra arovana mifanila, faritra tsy misy miaramila. Avy ao amin'ny Wikipedia ny sary.
Nanoratra sioka enina nampitain'ireo mpisiokantserasera maro imbetsaka avy eo i Yoon Jae-won (@yjw23_kseri), mpandalina Koreana-tavaratra ao amin'ny Sampam-pikarohana ara-toekarena Kim Kwang Su. Nanontany ny hevitry ny olona amin'ny fahombiazan'ny sazy iraisampirenena i Yoon rehefa avy nanameloka ny fandefasana balafomanga nataon'i Korea Avaratra, sokajiana ho «fihetsika mahavoasazy» sy mety hamotika ny afifampiresahan'ny eni-tonta ( Korea Atsimo sy Korea Avaratra, Etazonia, Shina, Rosia ary Japana) izay nandroso tsimoramora:
그런데 북한을 어떻게 다룰 것인가 하는 것은 현실적인 측면을 고려할 필요가 있습니다. 유엔안보리를 통해 북한을 비난하는 것은 자연스러운 반응이지만, 북한에 강경대응으로만 일관했을 때 더 큰 문제를 불러일으킬 수 있기 때문입니다.
Yoon nanazava bebe kokoa :
제재로 일관하는 것은 국제사회에서 북한을 더욱 고립시킴으로써 오히려 김정은 체제의 내부결속을 다지는 결과를 초래하게 될 것입니다. 이런 상황일수록 이명박정부가 상황을 관리하고 북한을 고립시키지 않음으로써 개혁개방으로 유도하는 것이 중요합니다.
Mpiady hevitra ao amin'ny forum Daum Agora, stkt, nandà hampiasa ny teny hoe “nandamòka” raha mitantara ny fandefasana balafomanga nataon'i Koera avaratra satria tsy misy ny tsifahombiazana (faharesena) amin'ny traikefa siantifika ary indrindra amin'ny fandaharan'asam-pandrosoana an-habakabaka:
로켓발사는 애당초 실패라는 개념이 일반적인 실험과 다르다.일반적인 무기실험과 달리 로케트는 발사를 해봐야 실험 데이타를 얻는다. 로켓발사 실험에 있어서는 실패와 성공의 기준은 무엇이 잘못되었는지를 확인할 수 있는 실험 데이타와 노하우를 얻었는지의 여부인 것이지 기체의 발사결과 자체가 아닌 것이다.
Mpiserasera Daum Agora, Ceasurs21, namosaka hevitra mahaliana:
북한의 로켓 발사가 실패했다는 소식이 반가우면서도 한편으로는 로켓 발사와 관련된 북한사람 중에 얼마나 많은 사람들의 목이 달아날까도 생각해 봤습니다.핵심 기술을 가진 과학자야 빳다 맞고 목숨은 건지겠지만 누군가는 책임지고 수용소에 끌려가거나 죽는 사람이 생길지도 모른다는 생각하니 씁쓸하네요. […]우리나라 사람중에서도 고초를 겪는 사람이 있습니다.다름아닌 주식투자자입니다. 며칠전 북한의 로켓 발사가 임박했다는 소식이 전해지자 방위산업 관련주들이 테마주에 편입되면서 급등했습니다.
Nitaraina ny mpisera Daum Agora 이건좀아니다 fa rehefa tsy niova tamin'ny fandrahonana mahazatra nandritra ny taompolo maro i Korea Avaratra, ka nanazavany ny paikady politika sahisahy ratsy fanaony, dia anjaran'ny governemanta ao Korea Atsimo sisa no manomana paikady mahomby hifehezana ity toe-draharaha ratsy sy manahirana ity.