Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2023
Nahoana aho no mampiasa ny zoko ho afaka hanao hetsipanoherana aty Trinidad & Tobago
Tsy hetsipanoherana fanairana fotsiny ity diabe manokana ity : fihetsika fisaonana ihany koa. Maro amin'ireo vahoakanay no maty noho ny herisetra tamin'ity taona ity.
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Filohan'i Kazakhstan teo aloha Namoaka boky tsiaro mampiady hevitra
Nohamafisin'i Nazarbayev ny tsaho efa hatry ny ela ary nekeny fa nanana fisakaizana ivelan'ny fanambadiana tamin'i Asel Isabayeva izy.
Maneho ny fanohanany ny Palestiniana ny mpampianatra oniversite sy ny fiarahamonim-pirenena Filipiana
"Tohananay ireo rahalahy sy anabavy Palestiniana ao anatin'ny zony feno sy ao anaty fotokevitra ara-drariny ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fizakan-tenany."
Taham-pahavitrihana ambany indrindra tamin'ny fifidianana filankevitry ny distrika ‘tia tanindrazana irery ihany’ tao Hong Kong
Noraisin'ny Vondrona mpikatroka ho toy ny fanamelohana ny politikan'ny famoretana ataon'i Shina ao Hong Kong ny fahavitsian'ny mpifidy :
Ahoana ny fiantraikan'i Karaiba amin'ny asa an-tokantrano sy ny “parlemantera iraisam-pirenena misahana ny asa”
"Nitranga tao anatin'ny korontana tamin'ny faramparan'ny taona 1960 ireo tolona niainga avy ao an-toerana ireo, notovanan'ny hetsi-panoherana ho an'ny zo sivily, ny fandravana ny fanjanahana an'i Afrika sy ireo fihetsehampo midadasika kokoa manohitra ny fanjanahantany midadasika kokoa ny fanjanahantany tany amin'ny "Tontolo Fahatelo".
‘Revolisiona Lohataona’ Myanmar any Etazonia
"Tena zava-dehibe ho an’ny fandresenay ny fanohanana faobe, ny hetsi-panoherana ary ny fanabeazana ara-politikan'ny vondrom-piarahamonina Birmana any ampitan-dranomasina ho an'ny Revolisiona Lohataona."
Senegaly: Bassirou Diomaye Faye no atolotry ny antoko mpanohitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2024
Tsy mifaninana ho filoham-pirenena ao Sénégal intsony i Ousmane Sonko, kandidà voalohany an'ny mpanohitra, saingy nanondro an'i Bassirou Diomaye Faye, sekreteran'ny antokony ho kandidà.
Dingana voalohany mankany amin'ny fifehezana ny tambajotra sosialy bebe kokoa ny fandraràna ny TikTok ao Nepal izay ataon'ny governemanta
Tamin'ny 13 Novambra 2023, nametraka fandrarana feno ny sehatry ny tambajotra sosialy Shinoa TikTok ny governemanta Nepali noho ny filazan’izy ireo fa miteraka korontana ara-piarahamonina eo amin'ny Nepaley ity sehatra ity.