Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2022
Mpitsikera an'i Marcos-Duterte nosamborina noho ny fanalam-baraka anjotra ao Filipina
Fampisehoana mahatalanjona tokoa ny firaisan-kina ho fiarovana ny soatoavina iombonana! Amin’ny firaisankina tahaka izao, ahoana no mety haharesy antsika?
Tatitra Unfreedom Monitor: Torkia
Hita amin'ny tatitra izao ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Torkia. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika PDF feno.
Manao fihetsiketsehana manohitra ny fanamelohana ho faty ao Myanmar ireo mpikatroka Nepaley
Tamin'ny 26 Jolay, nidina an-dalambe tao Kathmandu ireo Nepaley mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona hanohitra ny fanamelohan’ny fitondrana miaramila ao Myanmar ho faty ireo mpikatroka demaokratika efatra.
Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: India
Efa mivoaka ho tatitra izao ny fikarohan'ny Advox momba ny jadona nomerika ao India. Vakio ny ampahany, ary trohy ny Pdf manontolo.
Bitsihan'ny governemantan'i Bangladesh ny fantsona TV tsy hampiasa ny voambolana ‘Indizeny’ rehefa miresaka fiaviana ara-poko
Tamin'ny 19 Jolay 2022, namoaka toromarika ho an'ny fantsona fahitalavitra 35 ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fampielezam-peo niangavy azy ireo tsy hampiasa ny voambolana hoe "Adivasi" (vazimba teratany).
Herintaona mahery izay no nanangonan'ny manam-pahefana misahana ny media sy ny fifandraisana ao Tiorkia ny angon-drakitry ny mpisera
Nofaritan'ny antoko mpanohitra lehibe ho tantara ratsy indrindra amin'ny fihainon-dresaka teo amin'ny tantaran'ny Repoblika ny angon-drakitry ny mpisera tsy miankina nangonin'ny Manampahefana momba ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana ao Tiorkia (BTK) .
Niditra tamin'ny fanampenam-bava ny media tsy miankina ny antoko eo amin'ny fitondràna ao Zeôrzia
Nolazain'ny antoko "Georgian Dream" fa ilay doka dia manoso-dratsy ny antoko, manohintohina ny hoaviny manoloana ny fifidianana
Tohizan'ireo vondrona kambodziàna mpiaro zon'olombelona ny fitakiana ny rariny ho an'i Kem Ley, mpandalina maty nisy namono
"Ho tsaroantsika hatrany i Kem Ley satria niteny ny marina tao anaty fiarahamonina izy, ary sahy nilaza ireo tsy fahombiazan'ny manampahefana."
Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: Sodàna
Efa anaty tatitra izao ny fikarohana nataon'ny Advox momba ny jadona nomerika ao Sodàna. Vakio ny sombiny, ary trohy ny PDF manontolo.