Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2014
Ry Mpiserasera Rosiana, Manara-maso Ny Karatra Nomerika Solom-bolanao i Putin

Nosavain'ny Komity mpanao famotorana ny biraon'ny Yandex.Money, fitaovana malaza solom-bola miara-miasa amina orinasan'ny mili-pikarohana goavana ao Rosia,
Inona No Tadiavinao? Fiantsoana Hitokona Eo Amin'ny Sukiya, Tambajotra Japoney Mpamatsy Sakafo Vita Haingana
Tena nitokona marina ve ireo mpiasa ao amin'ny Sukiya, ilay tambajotra mpamatsy sakafo vita haingana, malaza amin'ny hena omby sy vary "gyūdon" amin'ny vidiny $3 ?
Fanamby : Nanala Ny Voaliny Ny Vehivavy Iraniana
Nanao fanamby nanala ny voaliny daholo ireo vehivavy Iraniana mpikatroka mafàna fo mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny vehivavy. Jereo hoe ahoana ny nandikàn'izy ireo ny lalàna sy ny niatrehany ary nandefasany ny sariny tao amin'ny aterineto.
SARY: Olona Niisa 20.000, Nanao Fihetsiketsehana Tao Makaô, Nanohitra Ny ‘Volavolan-Dalàna Hanangonan-karena Hatrany Sy Tombontsoa’
Volavolan-dalàna manome alalana ny filohan'ny governemanta ao Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, ho tsy azo enjehana araky ny lalàna sady manome hery azy sy ahazoany tombontsoa isam-bolana ihany na dia miala amin'ny toerany aza izy.
Chile: Manao Fihetsiketsehana Sy Mitaky Fanavaozana Ny Fampianarana Ny Mpianatra
Notontosaina tamin'ny 8 Mey 2014 tao amin'ny faritra maromaro tao Chile ny diaben'ny mpianatra hoan'ny fampianarana maimai-poana, izay nahitana fandraisana anjara mavitrika. Saingy maloky ny fanakorontanana izany.
Lehilahy Makedoniana Iray: 65 Taona Niadiana Mba Hamerenana Ny Fananany
Nalefan'ny mpitoraka bilaogy teo amin'ny bilaoginy ny momba an'i Dushko Brankovikj, izay efa indroa lasa fananam-panjakana izay ny fananany. Nandresy tamin'ny fitsaràna rehetra izy teo aloha, fa mbola tsy naverin'ny fanjakana taminy ihany izany.
SARIPIKA: Hafatra Artistikan'ny Mozea Palestiniana Iray Hoan'ny Papa
Nampiarahan'ny "The Palestinian Museum" tamin'ny afisy lehibe ny kisarisary Kristiana sy ny fijalian'ny Palestiniana ho fanairana ny Papa Fransoà amin'ny fitsidihana ataony any amin'ny Tany Masina.
#Conservaeloso: Fanentanana Hanavotana ny “Alcatraz-n'i Karaiba”
Hanokafana ivon-toeram-pitsaboana homamiadana ny toerana.
Fitsarana Ny Raharaham-Pamonoana Mpanao Fihetsiketsehana Tao Torkia Notantaraina Twitter Mivantana
Nitantara mivantana tamin'ny alalan'ny Twitter ny fizotran'ny fotoa-pitsarana ilay raharaha namonoana mpanao fihetsiketsehana Ali İsmail Korkmaz tao amin'ny zaridainan'i Gezi mba hifantohana amin'ity raharaha ity ny mpiserasera.
Mpikatroka Roa Nosamborina Nandritra Ny Famoretana Fihetsiketsehana Tao Alzeria
Tanora mpikatroka teratany Alzeriana i Mohand Kadi ary teratany Toniziana kosa i Moez Benncir. Nosamborina izy ireo raha niara-nisotro kafe teny amin'ny terasy tao afovoan-tanànan'ny renivotr'i Alzeria nandritra ny fihetsiketseham-panoherana milamina «Barakat !» andro iray alohan'ny fifidianana filoham-pirenena.