Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2015
Mijanona eo amin'ny ‘Yerevan Elektrika’ Ny Fampiakaram-Peo Armeniana
"Diso tanteraka ny filazana ny hetsika hoe Maidan Armeniana ... Ny tsy fahombiazana sy ny faharatsian'ny fitantanana ny orinasan'ny herinjiro no toherin'ny olona."
Mivoaka ao Tehran Indray ny Zavakanto an-Dalamben'i ‘Black Hand’ Vaovao ho Setrin'ny Fitakiana Hahazoan'ny Vehivavy Mijery Spaoron-Dehilahy
Eo amin'ny sary lehilahy iray manao fanamian'ny ekipam-pirenen'i Iran amin'ny football [baolina fandaka], manandratra tavoahangin-dranotsavony fanasana lovia mampahatsiahy ireo mpilalao mitazona ny amboaran'ny Mondialy.
Dingana Ataon'ny Fitondrana Shinoa Mba Hanalàna Baràka Ilay Mpikatroka Ho An’ny Zon’ny Olom-Pirenena Voafonja
"Ankehitriny, ny olona ratsy fanahy no mitantana ary ny olona tsara fanahy no any am-ponja."
Talohan'ny Fifidianana Ao Meksika, Tovovavy Indizeny Iray Mangataka Ny Tsy Hanginana Manoloana Ireo Fahafatesana sy Fanjavonana
Nanakoako manerana ny media sosialy ny fitsikerana ny antson'i Rigoberta Menchú's, nahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana mba handatsa-bato.
Mivondrona Aty Anaty Aterineto Ireo Fikambanana Indoneziana Hitaky Ny Rariny Mikasika Ny Famonoana Ilay Mahery Fon'ny Tontolo iainana
Taorian'ny fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny Tantsambo Indoneziana iray, vondrona maromaro no nitambatra mba hanangana ny "Solidaritas4Jopi," ho fandisoana ny sahoan-dresaka milaza fa fa mety ho fiarovan-tena no nahatonga ny nataon'ilay namono an'i Peranginangin
250 Andro Tsy Nahitàna Ireo Mpianatra Ayotzinapa
3 Jona 2015, manamarika ny 250 andro hatramin'ny nitrangan'ilay loza anisan'ny lehibe indrindra tamin'ny tantara maoderin'i Meksika: ny fanjavonana sy ny famonoana tany Iguala ireo mpianatra miisa 43 avy any Ayotzinapa.
Fanarahamaso Ny Fifidianana Antenantenam-Potoana Ao Meksika Miaraka Amin'ny #BreakTheFear
Nandritry ny fifidianana tao Meksika tamin'ny Alahady lasa teo, nanao fanentanana nomeny anarana hoe #RompeElMiedo (#ReseoNyTahotra) ny fikambanana ho an'ny fahalalaham-pitenenana ARTICLE 19 mba hanarahana maso ny fiarovana ireo mpanao gazety sy mpikatroka mpiaro zon'olombelona
Mpikatroka Rosiana: Mampiasa Ny Kiraro Avo Vodintongotra Sy Rojon'Alika Hanoherana Ny ‘Lalàn'ireo Tsy Mifaditra Ovana’
Natolotra ny Domà tamin'ny May lasa teo ny fanaovana lalàna iray mety hanitatra ny raharaha izay azon'ireo mpiandry fonja ampiasàna hery—hatramin'ireo fepetra mahafaty—rehefa miatrika ny zavatra rehetra miainga avy amin'ny famakiana fonja ka hatramin'ny gadra iray tsy manaiky fandaminana.
Notànan'ny Polisy Thailandey Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Tsingeritaonan'ny Fanonganam-panjakana
"Tsy afaka manangana fiarahamonina demaokratika isika raha tsy manana fahalalahana, fahafahana, zo, rariny sy ny fampihavanana."
‘Ho An'ny Fianakavianay No Maha-Eto Anay': Mpiasa Filipiana Mitokona Mifampizara Fanantenana Ho An'ny Ampitso
“Mitolona ho amin'ny fanaovana izay haha-ara-dalàna izahay mba tsy hahavery fihinanana anay. Ho an'ireo rehetra mpiasa iharan'ny fanararaotan'ny orinasa ity.”