Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2012
Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1
Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona Kareem dia mitondra fanazavana amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Tewitter mba hisarihana ny saina hibanjina azy ity.
Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza
Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana...
Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta
Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana...
Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny
An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy...
Korea Atsimo: Mitokona Ny Toby TV Telo Lehibe Indrindra Indrindra Hisian'ny Fanaovan-gazety Tsy Mitongilana
Any Korea Atsimo, taorian'ny fiezahana fatratra ataon'ny mpiasan'ny fahitalavitra lehibe indrindra hanesorana ny filohany noho ny finiavana hampitongilana vaovao sy resaka mandeha fiheverana fa mandeha ny kolikoly, dia nanara-dia ihany koa ny fahitalavitra goavana roa hafa hanohitra ny fomba fitantanana azy ireo.
Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut
Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity lahatsoratra ity no manazava ny fomba nanehoan'ireo mafàna fo ny fitiavan-dry zareo ny revolisiona Siriana teny amin'ny rindrin'i Beirut.
Etazonia: Firaisankina Manohitra ny Sivana Atao Amin'ny Haisoratra Amerikana Latina
Ny fanafoanana ny Fianarana Meksikana-Amerikana[mg] sy ny fanivanana boky marobe tao amin'ny sekoly distrikan'i Tuscon, Arizona no nahatonga ny fanohanana nasionaly izay niendrika fihetsiketseham-panoherana, tamin'ny alalan'ny famarotana boky, ny fampahafantarana boky sy vondrona mpamaky...
Kiobà: Lohataona Mainty, Sivy Taona Taty Aoriana
Manamarika ny fahasivy taona nisiany ny Lohataona Mainty Kiobàna – nampiasaina ny voambolana hanazavazavana ny famoretana nataon'ny fitondrana tamin'ny mpisintaka nandritra ny 2003. Olona 75 no nogadraina taorian'ny hetsi-pamoretana, nampangaina ho...
Brezila: Niteraka Hetsi-panoherana sy Fanehoan-kevitra ny Fahafatesan'ilay Mpitondra Bisikileta
Ny marainan'ny 2 Martsa 2012, maty voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka tao amin'ny arabe lehibe ao São Paulo, Avenida Paulista i Juliana Dias 33 taona raha iny nitondra bisikileta handeha hiasa iny. Nanaitra mafy ny...
Kiobà: Mamaly Ny Ataon'ny Arseveka ny Mpibilaogy
Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy,...