Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2021
Namoaka taranja vaovao mikasika ny fitondrana jadon'i Marcos ny Oniversiten'ny Filipina ho fanoherana ny fanitsiana ara-tantara
Antenain'ilay taranja PS 21 vaovao ny ho sehatra iray fanairana ny “fahatongavan-tsain” 'ny taranaka Filipina aty aoriana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny zon'olombelona, ny rariny ara-tsosialy ary ny fitohizan'ny tolona ho an'ny tena fahalalahana sy ny demokrasia.
Roa taona ny revolisionan'i Sodàna, mitaky fiovana ny diaben'ny mpanao fihetsiketsehana
Amin'izao tsingerintaona faharoa ny revolisiona ao Sodàna izao, nihaika ny tahotra coronavirus ny olompirenena ary mitaky fiovana haingana avy amin'ny governemanta tetezamita.
Hotarihan'i Beijing ny ankizy mpianatra ao Hong Kong hahay ny fiarovam-pirenena
Takian'ny torolalana, navoaka tamin'ny 5 febroary ny mpampianatra amin'ny ambaratonga rehetra hampianatra ireo fandikan-dalàna mivoitra amin'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ao Hong Kong.
Mpanakanto nomerika mampiseho ny fiainan'ireo Thailandey sy tolona ho amin'ny demaokrasia
"Fotoana izao ijoroantsika hijoroan'ny hoavy tsaratsara kokoa tsy ho antsika ihany fa ho an'ny taranaka manaraka ihany koa.”
Manampy amin'ny fampitsaharana ny fanapahana hazo fingotra efa zato taona any Guyane ny tsindry ataon'ny vahoaka
"Mbola fampandrosoana ihany koa ny fampandrosoana misy fiheverana ny lova [fitsinjovana ny ampitso]."
Nanao hetsika tsy fankatoavam-bahoaka ny olom-pirenena ny ampitson'ny fanonganam-panjakana tao Myanmar
"Midika hoe siny vy ny hoe Than Pone. Midika hoe mampaneno vilany ny hoe Than Pone Tee. Amin'ny fomban-drazanay, midika hoe fandroahana fanahy ratsy ny fampanenoana siny vy."
Miatrika fanoherana ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany ao Islamabad
Najanona ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany tao Islamabad taorian'ny hetsi-panoherana avy amin'ny faritra samihafa, saingy manantena ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao politika vitsy an'isa fa hatsangana ilay tempoly.
Natombok'i Hong Kong ny tsy maintsy hiraketana ny tena anaran'ireo mpampiasa karatra SIM amin'ny finday
Raha ankatoavina izy io, tsy maintsy ataon'ireo orinasa mpanome tolotra finday ny fametrahana angondrakitra iray misy ny torohay mahakasika ireo mpanjifany. Voatery ihany koa izy ireo hitahiry ireo rakitra mandritra ny taona iray raha kely indrindra aorian'ny tsy fampiasàna intsony ilay karatra SIM.
[FAMERENANA] ‘The Milk Tea Alliance': Thailandy, Taiwan ary Hong Kong miray hina hitolona ho amin'ny demaokrasia
Tsy nahatratra ny fandefasana mivantana ny webinar [seminera-web] Global Voices Insights momba ny "Milk Tea Alliance"? Indro ary ny famerenana azy ho hitanareo.