Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2016

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2016

30 Septambra 2016

Manao Famoriam-bahoaka Hiaro Ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana ny ‘Revolisiona Maroloko’ Makedoniana

Nanambara fihetsiketsehana vaovao nokasaina atao eo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta ao Skopje tamin'ny Alatsinainy 28 Septambra ireo mpitarika ao amin'ny "Revolisiona Maroloko", ho fanohanana ny Biraon'ny Mpampanoa lalàna Manokana (SPO).

Na Dia Nandoro Tena Aza Ny Lehilahy Iray Tao Crimea Mba Hiarovana Ny Trano Fivarotana Kafe An'ny Vadiny, Narodan'ny Fanjakana Ihany Ilay Izy

Akon'ny RuNet

Tamin'ny herinandro lasa, Alexander Strekalin, 75 taona, efa misotro ronono, no nanondraka solika 'acétone' tao an-damosiny, notselarany afo avy eo, ary nidaraboka teo amorontsirak'i Primorsky izy avy eo. Andro vitsy taorian'izay, maty noho ireo ratra nahazo azy izy.

29 Septambra 2016

Fampirantiana Sary ‘Tsy Mahalala Menatra’  Ao Moskoa Nifarana Nialoha Ny Fotoana Noho Ny Fanerena Avy Amin'ny Mpikatroka Mpandala Ny Mahazatra

Akon'ny RuNet

Nanery ny Foiben'ny Fakantsary Lumiere Mirahalahy avy ao Moskoa mba hanakatona ny fampiratiana ny sarin'i Jock Sturges ireo mpikatroka mpandala ny mahazatra, nilaza fa nandika ny lalàna miady amin'ny sary mamoafadin'ny ankizy ao Rosia ny asany.

Ny Herinandro Teto Amin'ny Global Voices Podcast: Izahay, Vahoaka

Amin'ity herinandro ity, mitafa amin'ireo mpiaramiasa aminay izahay: Elizabeth Rivera, Giovanna Salazar sy Juan Tadeo momba ny fahasorenan'ny vahoaka amin'ny politika ao Meksika

27 Septambra 2016

Manohana ny Lalàna Mandràra ny Fanalan-jaza Ny Mpanao Lalàna Poloney, Lalàna Lazain'ny Mpitsikera Fa “Afobe Ho An'ny Vehivavy”

Mitohy ny hetsika "Fihetsiketsehana Mainty" ao Polonina, izay manohitra ny volavolan-dalàna mandrara ny fanalan-jaza ary mety hampiditra am-ponja ny vehivavy manala zaza sy ny dokotera manatontosa ny fanalan-jaza.

24 Septambra 2016

Niakanjo Mainty Ny Poloney Hanoherana Ny Volavolan-dalàna Manasazy Ny Fanalan-jaza

Poloney an'arivony no nizara ny sarin'izy ireo miankanjo mainty hanoherana ny lalàna manameloka ny karazana fanalan-jaza sy hanohitra ny fanamafisana ny sazy efa henjana ao amin'ny lalàna manohitra ny fanalan-jaza ao amin'ny firenena.

23 Septambra 2016

Sekoly Vonjimaika Ho An'Ireo Mpianatra Ao Kashmir Ho Fanohizana Ny Fianaran'izy ireo Na Dia Mbola Mitohy Aza ny Ady

“Hatramin'ny nikatonan'ny sekoly, nanatevin-daharana ity foibe ity aho mba ahafahako manomana ny fanadinako" hoy ny mpianatra iray.

22 Septambra 2016

Boky Hainahandron'ilay Rosiana Gadra Politika

Akon'ny RuNet

Very zavatra betsaka ianao rehefa mihiboka am-ponja, saingy ny zavatra iray anananao tsy lany holaniana dia ny fotoana hieritreretana momba izay mahaliana anao sy ny fanatsaràna ny talenta anananao. Mahalala tsara ny fiainana an'io ireo Rosiana gadra politika.

20 Septambra 2016

Fanavakavahana Atosiky Ny Resaka Foko No Hitan'ny Maro Ao Anatin'ilay Fandraràn'ny Ministera Ny Fampiasàna Ireo Fehitenda Masina Nafàrana

"Ekeko tanteraka raha toa ilay fandraràna ka napetraka ho an'ireo vokatra rehetra tsy misy ilàna azy nafarana avy any ivelany, saingy mahatezitra sy tsy azo ekena ny fanaovana ho lasibatra samirery ny Khadas."

Netizen Report: Natsahatra ny Fifandraisana amin'ny Alalan'ny Aterineto ao Bangladesh sy i Etiopía Kanefa Mihamafana ny Toe-draharaha Politika

GV Mpisolovava

Mbola mihatra ao Bangladesh sy ao Ethiopía amin'izao fotoanba izao ny fanakanana ny aterineto, nividy rindrambaiko fitsikilovana mitentina 22 tapitrisa dôlara i Però, ary mety hampigadra noho ny heloka bevava amin'izao fotoana izao ny mizara votoaty (tsy nahazoana alalana).