· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2009

Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.

Malezia: “Aiza ny demokrasia?”

  30 Jolay 2009

Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.

Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova

  19 Jolay 2009

Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro

Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana

  18 Jolay 2009

Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.

Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary

  14 Jolay 2009

Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana  fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy....