· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2010

Chile: Namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina ny ankamaroan'ny gadra Mapuche

Tamin'ny faha 2 Oktobra , taorian'ny fifanarahana lehibe niaraka tamin'ny governemanta Siliana, gadra Mapuche miisa 25 izay voatazona tany am-ponja tao amin'ny tanànan'i Concepción, Angol, Temuco ary Valdivia, no namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina izay naharitra 82 andro. Na teo aza izany, gadra Mapuche miisa 14 izay voatazona sy nampidirina toeram-pitsaboana tany Angol, Victoria, Cholchol ary Temuco no mbola nanohy ny fitokonana [es].

16 Oktobra 2010

Filipina: Mandihy ny mpikarakara mpandeha

Fampiderana ny resaka fiantohana ny dia amin'ny fiaramanidina no niarahan'ireo mpiasa amina zotram-pitaterana an'habakabaka mpikarakara sidina ara-barotra ao Filipina navoaka an-tsarimihetsika tsy ela akory izay tao amin'ny YouTube. Miady hevitra ireo mpampiasa aterineto raha fampialàna voly sa "sexisme" izany.

11 Oktobra 2010

Ekoatora: Fiampangana sy Fanombanana Taorian'ny Fihokoan'ny Polisy

Tombana sy fomba fijery mifangaro no nipongatra taorian'ny fihokoan'ny polisy eto Ekoatora, nampitaina teo noho eo tamin'ireo tambajotra sosialy. Nisy fanonganam-panjakana ve teto amin'ny firenena? Ny tontolon'ny fitorahana bilaogy dia mandalina ny resaka sivana, ny fanapariaham-baovao an-tery manerana ny firenena, ny fifanilihana andraikitra sy ny valim-panontaniana, "Inona izao no mitranga ankehitriny?" ao anatin'i Ekoatora tohina sy mihetsiketsika.

05 Oktobra 2010