Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2022
Sri Lanka: Ny fivoaran'ny toeram-pihetsiketsehana Gotagogama sy ny manodidina azy, an-tsary
Mpaka sary Sri Lankey Sandesh Bartlett maka sary ny fomba nisian'ny fihetsiketsehana am-pilaminana manohitra ny governemanta Rajapaksa tao amin'ny Galle Face Green ao an-drenivohitra Colombo, nanomboka ny Marsa ka hatramin'ny Jolay 2022.
Nitodika any amin'ny media sosialy ny renin'ilay gadra politika mpanao lalàna taloha mitady ny rariny
Ny hany zava-dehibe dia ny nanehoako ny fanaintainana tao anatiko, ary ny fanairana hatrany ny olona amin’ny fisamborana ireo voafonja noho ny feon’ny fieritreretana izay tsy mendrika ny hosamborina noho ny filaminany tamin'ny fanehoana hevitra
Miditra vanim-potoana vaovao ara-politika ny ao Sri Lanka
Ny fitroarana faobe milamina tamin'ny 9 Jolay 2022 no nitondra ny fiafaran'ny vanim-potoana ara-politika iray izay nanomboka tamin'ny famoahana ny lalàmpanorenan'i Sri Lanka tamin'ny taona 1978, lalàm-panorenana izay nanimba tanteraka ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna ary ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.
Miteraka olana ara-piarovana ao Kosovo ny firohotry ny fandrahonana baomba mamitaka
Nahazo an'i Kosovo ihany koa ny fanairana baomba nanerana an'i Balkana. Nahazo hafatra fandrahonana avy amin'ny adiresy tsy fantatra ny Oniversite, ssekoly, seranam-piaramanidina sy fandraisina bus.
Inona ankehitriny no manjo ireo mpanao fihetsiketsehana tao Hong Kong telo taona taorian'ny famoretan'ny taona 2019?
Mihoatra ny 10.000 no nosamborina noho ny heloka misy ifandraisany amin'ny fanaovana fihetsiketsehana ka 4010 amin'ireo no mpianatra. Telo taona taty aoriana, miisa 2866 amin'ireo nosamborina — 28 isanjato — no notsaraina ary tokotokony ho 79 isanjato no nampangaina.
Nahazo fampiantsoan'ny polisy ireo Mpahay lalàna Malayziana nanao ny ‘diaben'ny fahalalahana ara-pitsarana’
"Nametraka ohatra ratsy ho an’ny olom-pirenena ny fihetsiky ny polisy, satria mampita hafatra fa tsy afaka mampiasa ny zony araka ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena na dia manaja ny lalàna aza ..."
Mbola mitohy mihafisaka ve ny soritra? ambana hisian'ny fitomboan'ny fitondrana jadona nomerika aorian'ny COVID-19
Manoloana ny fanarahamaso, ny fifehezana ary ny sivana ataon'ny Fanjakana, dia mila drafitra mafy isika mba hitakiantsika indray ny zo nomerikantsika sy hamolavolana ireo fitsipika politika sy araka ny lalàna mifanaraka aminy mba hiarovana azy.
Lasibatry ny famonoana olona maro araka ny didim-pitsarana ny Baloch vitsy an'isa
'Ny rakitra voangon'ny Zon'Olombelona Iran no nampiseho fa ny 21 isanjaton'ny famonoana ara-pitsarana rehetra dia mihatra amin'ny gadra Baluch tamin'ny taona 2021, nefa mandrakitra ny 2-6 isanjaton'ny mponina ao Iran monja ry zareo.
Renivohitr'i Trinidad, voabahan'ireo hetsika manohitra ny famonoana ataon'ny pôlisy
Tsy vao voalohany izao ny Trinidad and Tobago Police Service (TTPS) no nampangaina ho manao fanararaotam-pahefana; toy ny hoe zavatra "efa hita" (déja-vu) ireny hetsipanoherana ireny.