Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2021

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Janoary, 2021

Hetsi-panoherana manoloana ny setriny ataon'i Nepal amin'ny ady amin'ny COVID-19 ataon'ny tanoralahy iray

Natsangan'i Iih, Nepaley mpikatroka, ny hetsika ara-piarahamonina iray, ary nandeha 167 km izy hanintonana ny fifantohana amin'ny tsy fetezan'ny setriny ataon'i Nepal manoloana ny valan'aretina -- sy nanampy ireo izay niantraikàny mafy.

Nahomby ny ‘Diaben'ny Aurat’ nokarakarain'ny vehivavy tany Pakistan na dia teo aza ny fandrahonana

Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, vehivavy, olona niova fananahana, ankizy ary lehilahy an'arivony maro no nandray anjara tamin'ny Diabe Aurat fanao isan-taona tany amin'ireo tanàndehibe Pakistaney samihafa mba hanasongadinana ny zava-tsarotra iainan'ny vehivavy.

Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto 

Nanaovana herisetra, novelesina kibay ary nosamborina tao Quetta, Balochistan ny mpianatra maromaro noho ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fisian'ny aterineto taorian'ny niovan'ny fampianaran'izy ireo ho ampitain-davitra vokatry ny fepetran'ny COVID-19.

Arzatina : Raikitra indray ny fitakiana hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna, miaraka amin'ny fanantenana vao

(Martsa 2020) Taorian'ireo fanantenana diso tamin'ny 2018 sy 2019, niverina indray ny tolona hanaovana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza ao Arzantina, ary mifandamina ireo firaisankina erantany.

Tontolo Arabo: “Tsy miteny hoe Israely intsony izahay…”

Nahoraka be tamin'ny hetsika manerana ny tontolo Arabo ny hafatra iray tao amin'ny Twitter miantso ny Arabo hitsahatra hanonona hoe Israely nandritra ny fihodinana farany tamin'ny ady an-tserasera taorian'ny fanapoahan'ny Israeliana baomba an'i Gaza. Mitatitra avy eny ifotony i Anas Qetyh.

Tao anatin'ny fandrahonana fisamborana faobe, nifamory ireo Filipiana mpanohitra nandritra ny kabary momba ny toeran'ny fireneny nataon'i Duterte.

Mankahatra ny fandrahonana fisamborana, olona an'arivony no nanao fihetsiketsehana hanameloka ny valin-kafatra mihisatra, tsy mahomby ary ampiasàna tafika ataon'ny governemanta Duterte amin'ny fandraisany an-tànana ny areti-mandringana COVID-19