Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2014
‘Diabe Goavana Indrindra’ Miantso Ny Hanitsiana Ny Lalàmpanorenana ao Chile
Fikambanana sivily maherin'ny 40 (ankoatra ny mpianatra [es] ) no nanatevin-daharana ny 'Diabe Goavana Indrindra)' izay nihaonan'ireo olona an-hetsiny tao Santiago mba hitaky fanitsiana lalàmpanorenana amin'ny alalan'ny antenimieran-dalàmpanorenana.
GV Face: Fanaovana Lahatsary Hoan'ny Fiarovana Sy Ny Fanovana Miaraka Amin'ny Witness Sy Rising Voices
Mampiasa lahatsary ve ianao mba hahatonga ny fanentanana ataonao hotanteraka? Milaza tantara sy maka sarimihetsika miaraka amin'ny kamera na findainao ve ianao? Mila mijery ity GV Face ity izany ianao!
Niampanga an'i Vladimir Putin Ve Ny Mpiantsehatra Malaza Indrindra Ao Rosia?
Any Rosia, tena ankavitsiana dia ankavitsiana izany olona mipoitra matetika amin'ny fahitalavitra na amin'ny sarimihetsika izany ka hitsikera, na mahasahy irery hiampanga an'i Vladimir Putin. Nanao izany ve i Khabensky?
Syria: Izaho No Aleppo, Aleppo Dia Izaho
"Mitovy izahay sy Aleppo : simba, feno afo, misavoritaka," izany no nosoratan'i Marcell Shehwaro, mpitoraka bilaogy / mafana fo, ao amin'ny lahatsoratra voalohany amin'ny andiany momba ny fiainana any Syria mandritra ny tsy fifankahazoana amin'izao fotoana izao.
Mpanao Gazety Iray Noroahana Fa Nitsikera Ny Fibodoana an'i Crimée Tao Amin'ny Facebook
Mametra-panontaniana ny Rosiana raha mbola afaka 'hikarakara' azy ireo i Putin, raha midika ho fampitomboana ny fampiasam-bola kosa izany ho an'ny faritra manodidina.
Venezoela : Inona No Lazain'Ireo Mpomba Ny Fitondrana Mikasika Ny Hetsi-Panoherana ?
Firehana roa lehibe fa matetika mitovy foto-kevitra no hita ao amin'ny aterineto. Trandrahanay ny fomba fijerin'ireo mpomba ny Chavisme hita ao amin'ny aterineto nandritra ny hetsi-panoherana.
Tampenan'i Rosia ny Vavahadin-Tseraseran'ny Mpanohitra Miisa Efatra
"Tsy fantatro akory raha mbola misy mamaky ity zavatra ity" - mpitarika ao amin'ny fanoherana Alexey Navalny ao amin'ny bilaoginy izay notampenan'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana.
Iran: Voafafa Eo Amin'ny Sarin'ny Vaovao Ny Renin'ny Bilaogera Maty
Nahatonga fahatezerana mirehitra tany Iran ny filohan'ny Raharaham-bahinin'ny Vondrona Eoropeana rehefa nihaona tamin'ny mpikatroky ny zon'olombelona sy ny renin'ny bilaogera iray maty tao amin'ny Masoivohon'i Autriche tao Tehran.
GV Face: Ahoana Koa Ny Manaraka Ao Okraina?
Inona indray no hitranga amin'ny fihetsiketsehana #Euromaidan? Nitarika ny fihonganan'ny filoha mpanao kolikoly ireo fihetsiketsehana sy fandatsahan-drà
100 Andro Any Am-pigadrana Tsy Notsaraina: Ny Tantaran'i Alaa Abd El Fattah
ndroany, fenon'ilay Ejiptiana bilaogera manana ny maha-izy azy, Alaa Abd El Fattah, ny 100 andro naha tany am-ponja azy tsy niatrika fitsarana. Jereo ity lahatsary ity hahitanao bebe kokoa mikasika ny tranga manjo azy [ang.]