Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2015
Lawrence Maxwell, Lehilahy Shiliana Niatrika Ny Herisetran'ny Polisy Meksikana
Tao afovoan-tanànan'i Mexico City handray anjara amin'ny fihetsiketsehana milamina ho fanohanana ireo mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa i Lawrence Maxwell raha nosamborina sy nampitahorin'ny polisy.
35 Taty Aoriana, Ankatoavina Ny Asa-Vavolombelon'i Óscar Romero
Nanambara amin'ny fomba ofisialy ilay pretra salvadoriana Monsignor Romero, izay nisy namono tamin'ny 1980 noho ny fidradradradra-panoherana ny polisy i Vatikana.
Hetsi-piarahamonina 5 Nahavitra Nampiato Ireo Orinasa Mpitrandraka Solitany
Manomboka ao Maule, Shily hatrany an-tanànan'i Aostralia, Marrickville, miady amin'ny fitrandrahana angovo ankibon'ny tany ho fiarovana ny fiarahamoniny ny mponina
Eritreretin'ny Masedoniana Ny Hampiasa Ny Lalànan'ny Fahalalahana Mahazo Hanoherana Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Mpiasa Mahaleotena
Tsy naharay karama ireo mpiasa amin'ny ampaham-potoana sy tsy miankina ny volana Janoary, noho ireo fehezan-dalàna vaovao mikasika ny haba sy ny vola aloa. Te-hampiseho ny tsy fahaiza-miasan'ny mpitàndraharahan'ny governemanta ireo mpanao fihetsiketsehana.
Misaona Tovovavy Mpianatra Nisy Namono Tamin-Kerisetra i Tiorkia
Nanokatra adihevitra momba ny herisetra atao amn'ny vehivavy ao Tiorkia ireo vaovao tamin'ny herinandro lasa momba ilay famonoana tamin'ny fomba feno habibiana natao an'ilay tovovavy mpianatra, ary nitarika hatezeram-bahoaka.
Sary Tsotra Hanehoana Ny Teritery Ara-politika Ao Thailand
Ny sary nataon'i Prachatai dia manao lisitra ireo hetsika mahazatra izay nofoanan'ireo manampahefana tato anatin'ny sivy volana farany. Tafalentika lalina ny aretin-tsaina "tsy tia mainty" ao amin'ny fitondràna miaramila.
Hanome Valisoa (Vola) Mihoam-pampana Hoan'izay Mahafaty Ny Tompon'ny Charlie Hebdo Ilay Mpanao Lalàna Pakistaney
Nilaza i Haji Ghulam Ahmed Bilour fa hanome valisoa 200,000 dolara hoan'izay namono ny tompon'ny gazetiboky ary 100,000 dolara hoan'ireo mpandova ireo mpanafika ny Charlie Hebdo. Antsoin'ny sasany ho fisehosehoana mampidi-dooza ataon'ny PR izany.
Politika Manjavozavo Ao Yemen Mitohy Miaraka Amin'ny Fanambaràna “Tsy Manaraka Lalàm-panorenana” Nataon'i Al Houthi
Raha nisy nyafomanga fankalazàna ilay fanambaràna dia nisy koa fihetsiketsehana ho fanoherana izany tany an-toeran-kafa. Efa miomnana hiatrika fotoan-tsarotra iray mampihazohazo sahady i Yemen.
Ny Fomba Fiaina Munduruk, Tandindonin-doza Noho Ny Asa Fanorenana Tohodrano Ao Brezila
Ampahany faharoa amin'ny firesahan'ny Agência Pública momba ny vahoaka ao Sawré Muybu, faitra iray hoakotry ny rano ao Brezila raha miroso ihany ny asa fanamboarana tohodrano hakàna herinaratra.
Diaben'Olona an'Aliny Mitaky Fiovana Manavatsava ny Lalamben'i Madrid
"Manonofy isika, fa raisintsika matotra tokoa ny nofintsika," Pablo Iglesias, mpitarika ny antoko Podemos izay nikarakara ny "Diaben'ny Fiovana", niverimberina hatrany nandritra ny fihaonana.