Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2022
Olompirenena sy mpandraharaha Kroaty maneho amin'ny fomba samihafa ny fanohanany an'i Okraina
Namelatra ny sainampirenena Kroaty ireo mpandray anjara amin'ny hetsipanoherana, nihiaka tenifaneva ary nihira hira okrainiàna. Nisongadina tamin'ilay hetsipanoherana ihany koa ny sorabaventy misy sary mampitaha an'i Donbas sy ny fahirano ary daroka baomba nanjo ny tanàna kroaty tao Vukovar tamin'ny 1991
Mozika amin'ny fotoanan'ny ady: Hira ho toy ny endri-panoherana Okrainiàna
Ao anatin'ny fananihambohitra Rosiàna ao Okraina, ao afovoan'ilay fifandonana ny kolontsaina sy ny maripanondroana. Anatin'io toejavatra io, niakatra lampihazo ny tarika okrainiàna "Okean Elzy" mba hanainga fanahy ny fanoheran'ny Okraniàna
Torkia: Manamarika ny Andron'ny Mpitsabo amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny fahasalamana
Ho fanamarihana ity andro ity, nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena fa hanao fitokonana mandritra ny roa andro manomboka ny 14 marsa izy ireo na dia eo aza ny fampitandremana mialoha avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana manoloana ny fihetsiketsehana.
‘Fiovàna lehibe ny fifankatiavan'ny samy vehivavy,’ hoy ilay Meksikàna feminista
Eny antsefantsefan'ny firaisankna, ny fandrahonana sy ny fahamailoana, tohizan'i 'Hormiguita' ny fanampiany ireo vehivavy.
Hira maneho ny feon'ny vahoaka voarara any Nizeria sy Ogandà
Niafara tamin'ny fanasaziana sy/na fandrarana azy ireo tanteraka Ireo hiran'ny tarika sy mpitendry mozika malaza voarara ireo, na dia neken'ny manampahefana tamin'ny voalohany aza.
Maika hiditra ho mpikambana Vondrona Eoropeana i Georgia
Nanaradia ny fanapahan-kevitr'i Okraina hangataka ho mpikambana Vondrona Eoropeana tamin'ny alatsinainy 28 febroary, ao anatin'ny fananiham-bohitr'i Rosia an'i Okraina, izay fanapahan-kevitra izao.
Fepetra ho an'ny valanaretina no nampiasaina hanaparitahana ny fitokonan'ireo vehivavy mpiasa tao Kambodza
" Mba hanaparitahana ilay fitokonana am-pilaminana, tamin'ny fomba tsy mifandanja no sady matetika lasibatry ny ezaka nataon'ny tafiky ny governemanta ireo vehivavy mpitokona"
Mitokona tsy mihinan-kanina ilay bilaogera Iraniana malaza Hossein Rongahi taorian'ny fakàn'ny manampahefana an-keriny azy
Nentin'ny mpitandro ny filaminana nandritra ny bemidina ilay bilaogera, tsy nampahafantarina ny fiampangana azy na ny toerana misy azy akory ny fianakaviany. Niseho tao amin'ny fonjan'i Evin malaza ratsy izay nitazonana azy tamin'ny taona 2010 izy taty aoriana.
Sarimihetsika mampiseho ny fanitsakitsahana zon'olombelona sy ny fanoherana am-pahasahiana ao Myanmar
Nikarakara lisitra iray ny EngageMedia hilalaovana ireo sarimihetsika mampiseho ny haben'ny fanitsakitsahana zon'olombelona ao amin'ilay firenena, ary hatramin'ireo endrika feno fahasahiana enti-manohitra ny fanitsakitsahana tsy tapaka ny zo.