Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2015
Olomalazan'ny Rock Aostraliana Jimmy Barnes Mitaky ny Hirany Alain'ny Mpankahala Islamo
Te hilaza fotsiny aho fa i Aostralia misy ahy sy tiako dia Aostralia mahalefitra. Ilay toerana misokatra sy malala-tanana. Hoy ilay mpiangaly rock Jimmy Barnes
Ny Fomba Anovàn'ny Boko Haram Ny Politika Iraisampirenena Ao Afrika Andrefana sy Afovoany
Namerina indray ny fanafihany firenena Afrikana maro ny Boko Haram tato anatin'ny herindrano maro lasa. Ireto ny famintinana ireo fifandonana nisy tamin'ity taona ity tany amin'ny faritra hatramin'ny anio.
Tafika Meksikana Nampangaina Ho Nitifitra Olon-tsotra Nandritra Ny Fanafihana Tany Michoacán
Nitatitra ny media tsy miankina fa nitifitra olon-tsotra tamin'ny vondrom-piarahamonina teratany any Ostula ao amin'ny fanjakana Michoacán ny Tafika Meksikana. Milaza ny media iray eo an-toerana fa nisy ankizy lahy iray 12 taona maty.
Nesorin'ny Governemanta Ao Honduras Mba Hanatsaràny Ny Endriny Ve ireo Mitokona Tsy Mihinan-Kanina?
Raha nandray ireo iraka vahiny tonga hanampy hampitsahatra ny hetsi-panoherana tany an-toerana ny governemanta tao Honduras, tsy nampoizina kosa ny polisy nanaparitaka ireo olona marobe nitokona tsy mihinan-kanina
Nampidirina Am-Ponja Tao Singapore Izy Fa Nanakiana Ny Praiminisitra Teo Aloha, Nefa Mbola Mitoraka Bilaogy Ihany

"Miandry mafy ny fanjavonan'io hazavana io ireo mpiray sela amiko isanandro, ahafantaran'izy ireo fa tapitra indray ny andro iray, ary mihamanakaiky ny fotoana hahazoany ny fahafahany."
Mamory Olona 28.000 Any Singapore Ny Fidinana an-dalamben'ny Teboka Mavokely Ho An'ny Zon'ireo LGBT
"Mino izahay fa mendrika ny hitia an-kalalahana sy haneho ny maha-izy azy an-kalalahana ny rehetra"
Tandindonin-doza Ny Aterineto, Sehatra Iray Avo Ho An'ny Hetsi-Panoherana Ao Ekoatera
Vao tsy ela akory, miampanga ny fanjakana amin'ny fanelingelenana ny onjan'ny finday ireo mpandray anjara amin'ny hetsi-panoherana natao tsy ela akory tany Ekoatera. Ny "peer-to-peer" no mety ho vahaolana.
Fizotran'ny Tantara: Mpikatroka 14 Voatazona ao Thailandy Noho ny Fanoherana ny Fitondra-Miaramila
Niteraka fahatafintohinana tao amin'ny firenena ny fisamborana sy ny fitazonana ireo mpikatroka 14 mpanohitra ny fitondra-miaramila ao Thailandy. Nahatonga ireo mpampianatra sekoly ambony hiantso amin'ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpikatroka ihany koa izany.
Mampidi-Doza ny Demaokrasia ao Ekoatera ny Fifanenjanana eo amin'ny Governemanta sy ny Mpanohitra
Raha mbola mitohy ny hetsi-panoherana sy ny hetsika manohitra ny hetsi-panoherana ao Ekoatera mialoha ny fahatongavan'ny Papa Fransoà dia tratran'ny fahirano ny fototry ny demaokrasia, hoy ny nosoratan'ny mpanadihady iray.
Mitantara Momba Ny Herisetra Ara-Nofo Tsirairay Amin'ny Bilaogy Ireo Vehivavy Any Bangladesh
Nisy herisetra ara-pananahana maro taorian'ny fankalazana ny Taombaovaon'ny firenena, nalalaka ireo vehivavy tamin'ny Herinandron'ny Bilaogy fanentanana natokana ho an'ny Vehivavy hizara ny zavatra niainany amin'ny herisetra ara-pananahana.