Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2019
Niteraka fanoherana ny foaran'ny fitaovam-piadiana Japoney
Nitsena mpanao fihetsiketsehana ao an-toerana farafahakeliny miisa 400 ny varotra fampisehoana iraisampirenena momba ny fitaovam-piadiana ao Japana mampivoitra ny lalan-tery idiran'ny governemanta japoney sy ny indostiriany manoloana ny lova mpandala ny fandriampahalemana taorian'ny ady [lehibe].
Midika ny fandresena miezinezina azon'ny pro-demaokraty tamin'ny fifidianana isan-toerana ao Hong Kong, fa maka sisiny i Beijing
Raha marina ny hoe te-hamerina ny filaminana ny vahoaka, maro no mahatsapa fa ny governemanta no voalohany nahatonga ny korontana.
Fanoherana ny herisetra an-tokantrano, nidina an-dalambe sy nampiasa ireo tambajotra sosialy ny vehivavy azerbaijana
Lasa adihevitra nanerana ny firenena ny tantaran'ny herisetra an-tokantrano niainan'ny tovovavy iray
Bolivia anaty krizy sady misaratsaraka: loharano ety anaty aterineto natao hahatakarana tsara ilay fifandirana
Aiza no hanombohana azy raha te-hahatakatra ny krizy boliviàna? Soritra vitsivitsy azo zohiana ety anaty aterineto.
Fomba fijerin'ny Kashmirita iray manokana teraka tany Nepal ny krizy any Kashmir
Nivoaka tao amin'ny Oniversiten'i Kashmir i Aquib ary mipetraka sy manao raharaham-barotra ao Nepal. Niresaka tamin'i Aquib ny Global Voices Lingua Nepaley mba hanotany ny heviny momba ny antony nanafoanan'i India ny Adinin-dalàna faha 370 izay manome ny zo manokana ho an'ireo Kashmiris.
Vondrompiarahamonina sivily miisa 130 miantso ny tafika hanaisotra ny fiampangàna ny olontsotra
"Mpiasan'ny governemanta ireo miaramila. Raha manao ny tsy mety ry zareo, zon'ny olompirenena ny milaza izany. Zon'ny olompirenena ny mampiakatra ny feony”
Fihetsiketsehana ao Iran: Tifitra bala sy fanakatonana aterineto
Mihorohoro izahay amin'ny tatitra fa mpanao fihetsiketsehana am-polony no maty tany #Iran, an-jatony no naratra ary mihoatra ny 1000 nosamborina nanomboka tamin'ny zoma. Gaga izahay fa nakaton'ny manampahefana ny aterineto mba hanakanana ny tati-baovao momba ny famoretana mahery setra ataon'izy ireo. Manao fanadihadiana izahay ankehitriny.
Famonoana soavaly iray fitondra mihazakazaka, mampizara ny firenena momba ilay lalao malaza be fiadiana ny ho Tompondakan'i Melbourne
'Voalohany nandeha tamin'ilay Melbourne Cup aho, tamin'ity taona ity tao anatin'ny 67 taona, vao nofoanako izany. Tsy afaka ny hanohana indostria mahatsiravina toy izany aho'
Tsikerain'ny FTMF ny fandanian'i Hong Kong ny lalànan'ny hamehana mandrara ny saron-tava mandritra ny hetsi-panoherana
Noresahina farany tamin'ny taona 1967, lalàna tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany izay manome fahefana tsy voafetra ny lehiben'ny mpanatanteraka amin'ny fotoanan'ny "hamehana na loza mitatao ho an'ny vahoaka" ny Didy Hitsivolana Mifehy ny Hamehana.
Iray amin'ireo zavatra vitsivitsy azo antoka amin'ny krizy shiliàna ny aloky ny lasa
Aao anatin'ireo savoritaka ao Shily, misy teboka iray iraisan'ireo avy amin'ny farany havanana sy ireo avy amin'ny farany havia: hoe ity fotoana ity dia mamofompofona toy ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1973.