Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jona, 2019

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2019

Belarosia: Hatsikana Ara-politika

Mbola tohizan'ireo blaogera taorian'ny vanimpotoana Sovietika ny fomba fanao sovietika taloha ela be, dia ny fiatrehana ny zava-misy sy ny fanehoana ny fisintahany amin'ny alalan'ny hanihany politika. Ahitana ireo sombina hatsikana maro mikasika ny politika Belarosiana ity lahatsoratra ity.

Ny raharaha Ivan Golonouv : Fotoana fohy firaisankina sy firohotana tao amin'i Rosia an’i Potinina

Maro no nitaky fandraisana andraikitra bebe kokoa amin'ny fanasaziana ireo mpitandro ny filaminana izay namoroporona ilay raharaha.

Azon'ny Kamerà: Lahatsary momba ny Zon'olombelona ato amin'ny GV

Herinandro vitsivitsy miavaka ho an'ny lahatsary GV momba ny zon'olombelona iny, koa ndeha isika hiditra avy hatrany amin'izany...

Hong Kong: An'aliny maro ireo mpanao hetsipanoherana ilay lalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka no tonga nibahana ny làlana mankao amin'ny foiben-toeran'ny governemanta

Ny marainan'ny 12 Jona, vitan'ireo mpanao hetsianoherana ny nanemotra ny fandinihana ilay volavolan-dalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka saika hataon'ny Filankevitra mpanao lalàna

Manamarika ny kihon-dalana eo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny fisamborana an'ilay mpanao gazety fanadihadiana Ivan Golunov

Niteraka fihetsiketseha-panohanana tsy fahita firy avy amin'ny lafin'ny sehatry ny politika Rosiana rehetra ny fisamborana an'i Golunov.

Tao Hong Kong, nosamborin'ireo manampahefana ny mpitantana ny vondrom-panoherana iray tao amin'ny Telegram – noterena izy hanolotra ny lisitra misy ireo mpikambana ao aminy

Eo ampela-tanan'ny polisy avokoa ny lisitra manontolo misy ireo mpikambana ao amin'ny vondrona -- izay misy olona 20.000 hatramin'ny 30.000 eo ho eo -- hatramin'ireo hafatra nifanakalozana tany anatin'ireo seha-piresahana voaaro

Thailandy : mpanao sariitatra noenjehina noho ny fanehoan-kevitra nanevateva ny Praiminisitra tao amin’ny Facebook

Notorian’ny Praiminisitra Thailandey, Yingluck Shinawatra, ilay mpanao sariitatra malaza, noho ny fanehoan-kevitra nanala baraka azy tao amin’ny Facebook, izay nampitaha azy tamin’ny mpivaro-tena noho ny ‘’fivarotana ny fireneny’’.

Miantso ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny fitsarana vaovao ry zareo Tseky tao anatin'ny fanamby nasionaly ho an'ny Praiminisitra Andrej Babiš 

Nilaza ireo mpanao hetsi-panoherana fa mikasa ny hitsabaka amin'ny raharaha fanenjehana azy i Babiš. Mitaky ny fialan'i Benešová izy ireo sy ny fepetra vaovao ho fiarovana ny fahaleovantenan'ny fitsarana ihany koa.

Mariky ny fibolisaran'ny mpitondra frantsay amin'ny mpanao gazety ny fihazonana an'i Gaspard Glanz

Mampiasa ny tsiambaratelo momba ny fiarovana sy ny filaminana ho toy ny fialantsiny amin'ny fanenjehana ireo mpanao gazety ny governemanta Frantsay. Nihemotra ny orinasa.