· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2010

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.

26 Aogositra 2010

Iran: Fanoherana maneran-tany ny fitoraham-bato

Manana ny salovan-tavany any anatin'ny gazety iraisam-pirenena ankehitriny ireo nohelohina ho faty tamin'ny alalan'ny fitoraham-bato tany Iran, Sakineh Mohammadi Ashitiani, renimpianakaviana iray 43 taona, niteraka roa, izay novonoina ho faty tamin'ny tora-bato tsy ela akory izay noho ny resaka fijangajangana.

23 Aogositra 2010

Brezila: Lalàna vaovao mametra ny doka ara-tsakafo nampikorontana ny orinasa lehibe

Nametraka fitsipika eo amin'ny fiovana hitranga eo amin'ny dokam-barotra momba ny sakafo ny masoivoho federalin'ny firenena Breziliana manara-maso ny lafiny ara-pahasalamana, dia ny fametrahana fampitandremana misoratra eo amin'ny fonon'ilay sakafo, ary hentitra dia hentitra ny fihetsiky ny orinasa voakasik'izany manoloana izany toe-javatra izany. Afaka miteny ny heviny ve ny mpanjifa ao anatin'ity adihevitra ity?

05 Aogositra 2010

Fanampim-baovao mivantana momba ny fitsapankevi-bahoaka any Kenia

Mifidy androany ireo olom-pirenena Keniana amin'ny fitsapankevi-bahoaka ho an'ny lalàm-panorenana vaovao. Azonao atao ny manaraka ireo fanampim-baovao mivantana ao amin'ireo vohikala Keniana ary koa ny mahazo tati-baovao momba ireo tranga mifandraika amin'ny fitsapankevi-bahoaka ao amin'ny uchaguzi.co.ke.

04 Aogositra 2010

Inde: Maty nisy namono ilay mafana fon'ny RTI

Tamin'ny faha-20n'ity volana ity , maty novonoin'ny lehilahy roa mitam-basy tsy fanta-piaviana manohitra ny Fitsarana Avo Gujarat any Ahmedabad , any Inde, i Amit Jethwa ilay manampahaizana manokana momba ny tontolo iainana sady mpanao fihetsiketsehana miaro ny Zo hahazo vaovao (RTI). Manao hetsika arahin'ny hasosorana sy hatezerana ireo mponina amin'ny aterineto .

03 Aogositra 2010