Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2019
Miangavy ny Twitter ny governemanta Indiana mba hanala an'ireo tatitra “manely tsaho” mikasika an'i Kashmir
Tohin'ny fahasimban'ny fifandraisana ao Kashmir anatiny, nampiasain'ireo mpanao Aterineto avy any ivelany ny Twitter mba hanohitra ny fanafoanan'i India ny zo fizakan-tenan'ny faritra.
Topi-maso momba ireo fitokonana amin'ny toetr'andro manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana
Maro ireo hetsika nokarakaraina manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 septambra 2019 ho fanohanana ny Global Climate Strike (Fitokonana momba ny Toetrandro Manerantany).
‘Voninahitra ho an'i Hong Kong': Hira fanevan'ny hetsi-panoherana
Tsingerintaona faha-70 an'ny Repoblikam-bahoaka ao Shina ny 1 Oktobra. Raha miomana amin'ny lanonana ofisialy ny governemanta Hong Kong, Hong Konger an'aliny kosa no mampiseho hira fanoherana vaovao eny an-dalambe sy eny amin'ireo toeram-pivarotana manerana ny tanàna.
Matahotra ny handefa ny ankizy hiverina an-tsekoly ao anatin'ny ady mitam-piadiana ireo ray aman-dreny Kameroney
Any Kamerona, nampiasa ny fanaovana ankivy ny sekoly ireo separatista ho adi-varotra. Namono sy naka an-keriny ireo mpampianatra tany amin'ny faritra miteny Anglisy ireo mpiady mba tsy hanokafana indray ny sekoly raha tsy voavaly ny fitakiana.
Mamely mafy an'i Chennai ao India ny tsy fisian'ny rano madio
Voakasika ny fiainan'ireo olona 9 tapitrisa ao atsimon'i India satria miatrika krizin-drano tsy mbola nisy toy izany i Chennai, iray amin'ireo tanàna mitombo haingana be indrindra manerantany.
Manasongadina ny anjara asan'ny Cambridge Analytica tao anatin'ny fifidianana tany Trinidad & Tobago ny “The Great Hack’ an'ny Netflix
Mety ho tonga ao Trinidad sy Tobago i Christopher Wylie, ilay mpitoroka ny Cambridge Analytica, mba hiresahana miaraka amin'ny Kaomity Manokana Iraisana mikasika ny tsy fahaiza-mitantana ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana- ary koa ireo olona nanakarama ilay orinasa.
Mandranitra Fifanenjanana ara-poko sy fivavahana ny volavolam-pisarahana ao amin'ny Fiangonana Ethiopiana Orthodoksa
Milaza ny Oromo mpitondra fivavahana fa antenain'ny EOTC ny Oromo mpandeha any am-piangonana hivavaka amin'ny fiteny Ge’ez, fiteny litorjikan'ny fiangonana, na Amharika, fitenim-piasana ao amin'ny governemanta federalin'i Ethiopia.
Andian'olona mitam-piadiana manafika ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana any amin'ny gara iray an-tanànaitatr'i Hong Kong
"Farafahakeliny olona 45 nonampidirina hopitaly ary iray no tena voa mafy vokatry ny fanafihan'ny andian'olona."
Mahatsiaro ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia tamin'ny taona 1968
Tanora Tseky am-pahatelony mahery no tsy mahay mampifandray ny datin'ny 21 aogositra 1968 sy ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia.
Tongan'ireo mpianatra tao Hong Kong tany an-tsekoly ny fihetsiketsehana
Nitondra taranaka mpianatra mpikatroka matanjaka kokoa ny fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana olona.