· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2010

“Boobquake” – “Horohoron”-’ny nofo miatrika ny fitakian’ny mpitarika fivavahana iraniana

Mpianatra iray any amin'ny Anjerimanontolon'i Purdue any Etazonia no nangataka ny vehivavy eran-tany mba hanao fitafiana mihanjahanja na mampiseho kely ny lohaliny ny andro alatsinainy, ho toy ny andrana hanihany ihany mba hanaporofoana ny tsy maha-marimpototra ny fombam-pivavahana iraniana izay milaza fa ny fanaovana akanjo tsy maotina dia miteraka horohoron-tany.

Kirzistan: Taorian'ny fihetseham-bahoaka tany

  24 Avrily 2010

Tamin'ny herinandro lasa teo dia nifantoka tanteraka tamin'ny tranga politika tany amin'ity repoblika any Azia Afovoany ity ny bilaogy Kirzistana. Manerana ny firenena manontolo dia nisy ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin'ny fifandonana teo amin'ny fitondrana sy ny mpanohitra nitranga ny 7 sy 8 aprily lasa teo. Sergei Vysotsky, ilay...

Iran: Nihen-danja ve ny fitorahana blaogy hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena?

  19 Avrily 2010

Moa nanova ny fampiasana ireo fantsona sy fitaovana median'olon-tsotra ve ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana? Iraniana iraikambinifolo mpitoraka blaogy sy matihanina amin'ny fampahalalam-baovao mahasolotena ny firehana politika rehetra no namaly ny andiam-panontaniana mikasika ny fivoaran'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny Iraniana olon-tsotra Iran hatramin’ny fifidianana.