Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2011
Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”
Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.
Ejipta: Voasazy handoa onitra noho ny fanakanana ny aterineto nandritra ny Revolisiona i Mubarak
Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana...
Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo
Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan'ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety.
Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara
Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif, nitondra fiara koa...
Ekoatora: Telo Taona Taorian'ny Lozabe “Factory”
Ny 19 Aprily 2011 no nanamarika ny faha-3 taonan'ilay Tantara malazan'ny Factory: ny firehetana tao amin'ny Factory, toeram-pandihizana iray tao Quito tamin'ny 2008, tamin'izay no nisy fampisehoana Gothic-rock. 19 no maty vokatr'ilay firehetana ary 24 no naratra mafy. Tamin'ity tsingerintaona ity, nisy fanomezam-boninahitra sy hetsika iray natao mba hanentanana ny olona mikasika ity olana ity nataon'ny fianakaviana sy naman'ireo tra-doza.
Brezila: Tandindonin-doza ny hoavin'ny ala
Tao anaty herinandro vitsivitsy farany teo, nahoraka ny kongresim-pirenena breziliana niaraka tamin'ny fanerena hifidianana ny lalàna vaovao mifehy ny rano sy ny ala. Ilay tetik'asa natolotra, izay nifantoka tamin'ny fanovana ny lalàna efa nisy teo aloha, dia neken'ny fivondronan'ny solombavam-bahoaka atao hoe "Ruralist front" na ny mandan-tehezan'ny tantsaha. Ireo mpandala tontolo iainana dia nanentana mba hanohitra ilay lalàna vaovao, ary ireo Siantifika kosa dia nangataka fotoana lavalava handinihany ilay volavolan-dalàna.
Oganda : Sarin'ny diabe “Walk to Work”
Nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fiakaran'ny vidin-dasantsy, ny vidin-tsakafo ary ny fisondrotam-bidim-piainana midangana ny Ogandey tao anatin'ny roa volana izay. Androany, nampiasa ny loko raozy, ny baomba mandatsa-dranomaso ary bala tena...
Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto
Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa manerana ny firenena. Mifandamina any anaty tambajotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohana, sady mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy hifampizaràna sy hanelezana ny vaovao, hilazàna ny tantarany, ary hiaraha-miasa anaty fifandrimbonana momba ny hevitra, ny fomba fijery syny fandraisana andraikitra.
Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe
An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espana tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa. "Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny banky ny mpanao politika akory isika," no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 15 May teo, andro vitsy monja mialoha ireo fifidianam-paritra. Hitohy ny hetsi-panoherana sy ny fitorevahana.
Oganda: Nolokoin'ny Polisy Mavokely Ireo Mpanao Hetsi-panoherana
Nanao valin-kafatra ho an'ireo hetsi-panoherana Walk to Work nisy tato anatin'ny roa volana farany ny polisy Ogande, tamin'ny entona mndatsa-dranomaso sy tifitra tamin'ny bala tena izy. Nandritra ny hetsika iray natao tamin'ny Talata lasa teo, fomba hafa indray no nampiharin-dry zareo, tifitra rano miloko mavokely mankany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nikasa ny handeha ho an'ny an-kianjan'ny Lalampanorenana ao afovoan'i Kampala.