Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2020

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2020

Milazalaza ny fihoaram-pefy any am-ponjan'i Vietnam ny renin'ny bilaogera migadra Le Anh Hung

Vao nitafatafa tamin'ny The 88 Project (Tetikasa 88) Rtoa Tran Thi Niem niresahany ny momba an'i Le Anh Hung, zananilahy bilaogera migadra, izay avezivezy any amin'ny toeram-pitsaboana marary saina hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2013.

Fahamaizan'ny oniversite politeknika ao Hong Kong taorian'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy

Satria nanaovan'ny polisy amboletra ny toeram-ponenan'ny mpianatra taminà oniversite iray hafa ao Hong Kong, nandrehitra afo hataony sakana ireo mpanao hetsipanoherana.

Faly ny vondrona media ao Filipina fa nilaza ny hiaro ny fahalalahan-gazety ny orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera

"Fandresena kely izao ao amin'ny tolona ataonay ho amin'ny fahalalahan'ny gazety. Miantso ny orinasan-teknolojia rehetra izahay tsy hamela ny fotodrafitrasany ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana."

Poeta fidjiàna i Peter Sipeli, mitolona ho an'ny zon'ireo LGBTQ+ amin'ny alàlan'ny fitantaràna

« Tiako hitodika kokoa amin'ny maha-olona io fifampiresahana io ary hitantara ny hirifiry tsapantsika, ny fanilikilihan'ny fiarahamonina, hamaha ny zavatra rehetra mba hahafahan'ny olona mitondra ny fijeriny ao anatiny. »

Antsary: #8M Ny valo marsa nanerana an'i Amerika Latina

Mihoatra ny iray tapitrisa ny vehivavy nanohitra ny herisetra atao amin'ny vehivavy nanerana an'i Amerika Latina.

‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena

Any Dehli Avaratra Atsinanana, niteraka fahafatesan'ny sivily miisa 17 farafahakeliny ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana sy mpanohitra ny lalànan'ny zom-pirenena. 150 mahery ny olona naratra.

Na teo aza ireo antso fanentanana, mankahatra ny lalàna mikasika ny maha-olompirenena ny fihetsiketsehana iray tarihan'ny vehivavy ao India

"Raha toa ka afaka manao sorona be toy izany ho an'ity fihetsiketsehana ity isika, tsy afaka ny mba handefitra fanelingelenana kely mihitsy ve ny olona?"