Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2010
Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa
Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.
Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana
Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.
Puerto Rico: Mitoetra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana
Taorian'ny fifaranan'ny fitokonana roa andro nataon'ny mpianatra, nitoetra tao amin'ny "campus" foibe an'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana, voalohany izao hatramin'ny 1981, izay mialoha ny fitokonan'ny mpianatra amin'ny 14 Desambra. Mitobatobaka ny fanehoan-kevitra amin'ny tontolon'ny blaogy sy ny media sosialy.
Iran: Mpitoraka blaogy kely taona indrindra maneran-tany voasambotra
Tsy fanta-daza eo amin'ny fanenjehana mpitoraka blaogy fotsiny ny governemanta Iraniana, fa mitàna ny laharana voalohany koa izy ireo eo amin'ny sehatra maro: nanomboka tamin'ny fampidirana am-ponja ny mpitoraka blaogy voalohany indrindra teo amin'ny tantara, hatramin'ny nahafatesan'ny mpitoraka blaogy voalohany tany am-ponja. Mampalahelo anefa, fa mbola misy zavatra hafa mbola mahatsiravina noho izany tokony ampidirina ao anatin'ny lisitry ny firenena Iraniana eo amin'ny fahaiza-manaony dia ny fisamborana sy fitsaràna mpitoraka blaogy kely taona indrindra.
Pakistan: Aasia sy Aafia – Ny tantarana vehivavy Pakistane roa
Maro ny Pakistane no mahatsiaro ho voakasika amin'ny tranga mahazo an'i Aasia Bibi (vehivavy pakistane kristiana iray voaheloka ho faty fa hoe naniratsira finoana) sahala amin'ny fanahian'izy ireo momba ny fitazonana an'i Aafia Siddiqui (voaheloka hifonja 86 taona any Etazonia).
Madagasikara: Fisamborana sesilany taorian'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby
Taorian'ny fitsapa-kevi-bahoaka sy ny fanonganam-panjakana tsy nahomby nifanindran-dalana tamin'izany dia nanaloka ny nosy indray ny fisamborana sy famotorana nitranga sesilany. Miresaka momba izany toe-draharaha mihazakazaka izany ny Malagasy izay misy tsy nanampo na misy ny sorena na mahatsapa ho tohina.