Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2015
Nataon'ny artista ho lasitra hisiam-piovana nandritra ity 2015 ity izao tontolo izao
Manatona ny taona 2016, ataontsika tamberina ny tantara 16 avy ato amin'ny tahirin-javakanton'ny Global Voices nivoaka tamin'ny fotoana nahamety azy.
Ny Tolon'ny Kiobàna Mpifindra-monina Mihoatra Ny Arivo Tafahitsoka Tao Amerika Afovoany
Kiobàna manakaiky ny 1.500 no tafahitsoka tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Costa Rica sy Nikaragoa, rehefa nolavin'i Nikaragoà ny fidiran'izy ireo, ary nampody azy ireo an-kerisetra sady naneho marimarina ny hoe "fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena."
Nidina An-dàlambe Ny Haitiana Ho Fanoherana Ny Voka-Pifidianana
Hamafisin'ny Haitiana fa tsy marina ny vokatry ny fifidianana natao tao amin'ny firenena vao haingana teo, ka nahatonga hetsika goavana an-dàlambe, izay vetivety foana dia nanjary nahery vaika.
Rosiana Mpikatroka Mafàna Fo Voasazy Taona Roa Noho Ny ‘Antso Hanao Hetsika Mahery’ Nalefany Taminà Tambajotra Sosialy
Nohelohin'ny fitsaràna iray tao amin'ny distrikan'i Krasnodar i Darya Polyudova, mpikatroka iray mafàna fo, noho ny "antsony ho an'ny daholobe nataony tao amin'ny media sosialy hirona amin'ny fisaraham-bàzana sy hanao mahery fihetsika", ka nanasazy azy handia taona roa tany amin'ny toby iray fanefàna sazy (fanarenana).
Mpiserasera ao Kyrgyzstan misafoaka amin'ny dobo iray fikarakarana feso
“Tian'ny feso ny manao ireny zavatra ireny. Raha efa nahita ny fitsambikinany teny an-dranomasina ianao, dia zavatra mitovy amin'izany indrindra no ataony ao.”
Ahoana Ny Fankalazan'ireo Mpikatroka Aziatika Atsimo-Atsinanana Ny Andron'ny Zon'Olombelona
Nanakoako manerana an'i Azia Atsimo-atsinanana ny lohahevitra fitadiavan-drariny satria nasongadin'ireo vondrona mpikatroka ny fanitsakitsahan'ny governemantan'izy ireo ny zon'olombelona sy ny fihoara-pahefana ataony.
Bay Area Intifada: Politikan'ny Maha Izy Azy Miaraka Amin'ny Renisoratra ‘I’
Velona ao Oakland, California ny nofinofy amin'ny fanafahana sy fanalàna amin'ny fanjanahana ny Tany an-Dàlam-Pandrosoana.
Fankalazana Niafara Famoretana: Mbola Manao Fihetsiketsehana Ho Amin'ny Fampianarana Tsara Kokoa Ny Mpianatra Ao São Paulo
Nanao fankalazana ny mpianatra ao São Paulo rehefa nahazo fandresena tamin'ny fanoherana ny politika "fandaminana indray" nokasain'ny governora, nanohy ny fihetsiketsehana izy ireo ary niharan'ny herisetran'ny polisy.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...