Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2019
Navotsotra rehefa avy nigadra dimy taona an-tranomaizina noho ny fanompana ny fitondram-panjaka i Tom Dundee, mpihira nentin-drazana Thailandey sady mpikatroka
'Avy amin'ny vahoaka no hananganana ny demokrasia, sa tsy izany? Tsy afaka atsangana avy amin'ny olona iray monja ny demokrasia .'
Maraoka: Saripikan'ny hetsi-panoherana 2011
Vitsy no nahazo sary tsara tarehy mihoatra ny an'i Omar El Hyani tamin'ny fihetsiketsehana ny 20 Febroary 2011 tany Maraoka izay nahitana ny sariny nalaina avy ao Rabat navoakan'ny The Nation ary navoaka tao amin'ny bilaogy Mamfakinch . Nalaintsika eto ireo sary tsara indrindra notsongaina.
Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia
Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi.
Mampiasa fandrahonana i Beijing mba hanivanana ny fitantarana ivelan'i Shina ny “Vono olona tany Tiananmen”
Na dia efa lasa aza ny 30 taona hatramin'ny Vono olona tao Tiananmen, dia nanjary lohahevitra saro-pady hatrany ho an'ireo mpanao gazety monina ao Shina ny fitantarana ny famoretana mihoso-drà.









