Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2023
Mafanavay ny adihevitra ny zom-pirenena Frantsay an'i Andry Rajoelina eto Madagasikara
Adihevitra eto Madagasikara: araka ny lalàna, ny fananana zom-pirenena hafa dia manafoana ny zom-pirenena malagasy, izay ilaina amin’ny fifidianana. Manana pasipaoro frantsay anefa ny kandidà Andry Rajoelina.
Mitaky ny rariny ny fihetsiketsehana roa taona taorian'ny nahamaizan'ny hopitaly COVID-19 tany Makedonia Avaratra
Tsy niatrika tamberin'andraikitra tamin'ny fahamaizana nahafatesana olona 14 ny orinasa nanangana ny hopitaly sy ny tompon'andraiki-panjakana nankatoa ny fanorenana.
Gabon, fanokanana ny filoha vaovaon'ny tetezamita, ary famoahana ilay filoha voaongana
Tao anatin'ny lahateniny voalohany dia nanome toky ilay lehilahy vaovao matanjak'i Gabon ny hanomana fifidianana faran'izay haingana indrindra, hamerenana indray ny fahefana amin'ny sivily.
Fitsikerana ny zavakanto Rosiàna : “Tsy azo vonoina na potehana ny zavakanto an-dalambe”
Hatramin'ny niantombohan'ny ady, dia mbola olana ny satan'i Yekaterinburg, renivohitry ny zavakanto an-dalambe Rosiàna : niala an'i Rosia ireo mpanakanto sasany, raha ireo hafa kosa nogadraina noho ny asany manohitra ny ady.
Fahalotoana ateraky ny plastika madinika ao Sri Lanka : ho mpamono olona mangingina
Poizina ho an'ny zavamananaina rehetra ny plastika madinika. Mandrapahafahan-tsika manolo ny plastika na miady amin'ireo plastika madinika, ny fitsipika ankapobeny dia tsy maintsy ny fialàna amin'ny fampiasana an-jambany ny plastika rehetra eo amin'ny fiainantsika.
Raha tsy misy ny fahafahana manavao ny pasipaoron'izy ireo any ivelany, ao anaty limby ny Belarosiana any an-tsesitany
Nanasonia didim-panjakana ny mpitarika Belarosiana Lukashenka milaza fa tsy afaka manavao ny pasipaorony any amin'ny kaonsilà any ivelany ny Belarosiana monina any ivelany.
Shina : itarainan'ireo zokiolona ny fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana
Na teo aza ireo ezaka marobe nafafin'ireo media ôfisialy mba hanasongadinana ny endrika miabo ananan'ilay fanavaozana ny fiantohana ara-pahasalamana, mitohy mihitatra ny tsy fahatokian'ny vahoaka
Môzambika, miady ho an'ny zon'ny fikambanana ny fikambanan'ireo fiarahamonim-pirenena
Ny fiarahamonim-pirenena ao Mozambika dia nanangana hetsi-panoherana iray atao hoe "Ho fiarovana ny zon'ny Fahalalahan'ny Fikambanana ao Mozambika"
Nandroba fahefana ny miaramila taorian'ny fifidianana nampiadi-hevitra tany Gabon
Mandray ny fahefana ny miaramila any Gabon kay noho izany dia namarana ny taona marobe teo amin'ny fitondrana ny fianakaviana Bongo taorian'ny fifidianana telo notsipahina.