Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2019
Sokitry ny “Tank Man” abontsina hita ao Taiwan alohan'ny fahatsiarovana ny fandripahana tao Tiananmen
"Koa mihevitra aho fa zava-dehibe ho an'ny vahoaka Taiwaney ny manohy miresaka ity lohahevitra ity - isorohana ny fanadinoan'ny olona ity toe-javatra ity"
30 taorian'ny fandripahana olona tao Tiananmen: Ny tantara misafotofoton'ny Andriamanibavin'ny Demaokrasia
Nijanona dimy andro tao amin'ny kianjan'i Tiananmen tamin'ny taona 1989 talohan'ny vono olona mihoso-drà tamin'ny 4 Jona ny andriamanibavin'ny demaokrasia.
‘Tsy hifidy izahay raha tsy vita ny làlana': hetsika tsy fankatoavana sivily any amin'ireo faritra any India
Nanosika ny Goans hanao ankivy ny fifidianana Lok Sabha ao amin'ny tananakelin'i Marlem any amin'ny fanjakana Indiana any Goa ny lalan-dratsy, ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ary ny tsy fisian'ny famatsiana herinaratra.
Lahatsoratra Facebook miteraka fisamborana any Bangladesh, mampiahiahy ny mpiserasera
Olona roa no voasambotra tamin'ny 14 sy 15 Mey noho ny fanehoan-kevitra nalefa tao amin'ny Facebook. Niteraka hatezerana sy ahiahy tao amin'ny fampitam-baovao sosialy ny fisamborana.
Nahoana no mitera-pihetsiketsehana ny fananganana toby miaramila Amerikana ao Henoko, Japan?
Iray amin'ireo tantara goavana indrindra ao Japan saingy zara raha taterina- na ao Japan na any ivelany- ny fanapahan-kevitra hamindra ny Toby an'habakabaka Amerikana Futenma any amin'ny faritra afovoan'ny nosy Okinawa ho afindra ao Henoko, 50 kilaometatra eo ho eo any avaratra.
Iharan'ny Tsy Fahazoana Aterineto i Benin Nefa Andro Fifidianana
Fanapahana aterineto nanenika ny firenena ary naharitrahatramin'ny alina, nametraka an'ireo mpifidy hiaina tanatin'ny haizina mikasika ny safidin'izy ireo tamin'ny andro fifidianana.
Azerbaijan: Mpikatroky ny N!DA miatrika famonjàna 6-8 taona
Araka ny ilazàn'ny mpanao gazety iray azy, "notsaraina ho meloka noho ny faharanitantsaina, ny fahaizana, ny fahasahiana ary ny fahamendrehany," ireo mpikambana avy ao anatin'ilay vondrona mpikatroka sangany ety anaty tambajotra
Nividy ampaham-pananana amin'ny lalamby ny vazimba breziliana hiantsoany fa tsy nanao ny adidiny amin'ny tontolo iainana ny orinasa
Tsy ny hahazo anjara vola no tanjon-dry zareo fa ny handrenesan'ny mpampiasa vola ny orinasa ny feon-dry zareo.
Meksika: voalaza fa maty ireo mpianatra tsy hita popoka tao Ayotzinapa, nipoaka ny hatezerana teny an-dalambe
Nanambara i Jesus Murillo Karam fa maty teo ambaanin'ny fibabohan'ireo mpikambana miisa telo avy amin'ny andian-jiolahy ireo mpianatra tsy hita. Saingy tsy fantatra ny razana ary namerina ny teniny ireo Meksikana, Ya me canse (reraka aho), mba hanehoana ny hatezeran'izy ireo.
Fanafihana Anti-silamo mitarika fifandirana sy miteraka tahotra eo amin'ireo Sri Lankey misaona
Ny 13 mey, trano teo amin'ny 500, fivarotana, masikiriny sy foibe ara-pivavahana hafa no simba, olona ray no maty ary folo hafa no naratra mafy. Nametraka ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina manerana ny firenena hatramin'ny 14 may maraina ny manampahefana, tao anatin'ny tahotry ny fiparitahan'ny fanafihana .