Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Janoary, 2014
LAHATSARY: Fahatsiarovana Ny Fandroahana Tamin-Kerisetra Ny Vondrom-Piarahamonina Pinheirinho Tao Brezila
Manome feo ireo vondrom-piarahamonina fahiny tao Pinheirinho izay namoy ny tranony tamin'ny Janoary 2012 ny Somos Todos , horonantsary fanadihadiana izay azo jerena ety anaty aterineto ankehitriny
Koreana Tatsimo 20 Tapitrisa Iharan'ny Halatra Mombamomba Azy Amin'ny Karatra Fakàm-bola
Anatin'ny ezaka ho fampitoniana ny hatezeran'ny olona, namoaka fepetra ny manampahefana, saingy mbola bora menan'ny hatezerana ny olona
Fototra 3 Enti-manakatra Ireo Hetsi-panoherana An'i Compaoré Ao Burkina Faso
Nisy hetsi-panoherana goavana nitranga ny Sabotsy 18 Janoary 2014 teo hanoherana ny fanavaozana ny Lalàm-panorenana naroson'ny Filoha Blaise Compaoré. Inona no dikan'ireny hetsi-panoherana ireny?
Notsikilovin'i Aostralia i Timor-Leste Mba Hahazoany Tombontsoa Ara-toekarena
Tahaka ny tia mitsikilo ireo namany sy ireo manodidina azy i Aostralia. Taorian'i Indonezia, anjaran'i Timor Atsinanana indray no nitsikera an'i Aostralia noho ny fitsikilovany ireo mpitondra azy.
Mpanao Gazety sy Bilaogera Mifandrafy Hevitra Momba ny Fampihorohoroana Rosiana

Mihamanatona moa ny lalao Olaimpikan'i Sochi, mifandrafy hevitra momba izay ao ambadiky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ny bilaogera sasantsasany, ary ny ankamaroan'izany dia ao amin'ny faritra tena manakaiky indrindra ny hanatontosana ny lalao.
Zokiolona Koreana Manao Ankivy Ny McDonald Ary Maka Ny McResolution
Lohateny lehibe tamin'ny gazety tao New York City ireo Koreana Zokiolona noho izy ireo mitoko-zihitra isanandro ao amin'ny McDonald's, manomboka ny maraina be ka mandra-pahamaizin'ny andro - zavatra iray tsy mahagaga ny Koreana Tatsimo intsony
Indoneziana Mpiasa An-trano Milaza Ho Voadaroka, Nomena Sakafo Ambany Foitra, Nodorana Tao Hong Kong
Tranga iray mampivalaketraka miresaka fanararaotana natao taminà mpiasa an-trano iray no niseho masoandro tao Hong Kong tsy ela akory izay. Miasa miaraka mba hamongotra io rafitra fanandevozan'ny andro maoderina io ireo vondronà mpikatroka mafàna fo
Taona Vaovao: Jeritodika Amin'ilay Firariantsoa Mizara Roa Tao Rosia

Nanonona firariantsoa roa samihafa noho ny Taona Vaovao ny filoha : iray ho an'i Rosia any 'Extrême-Orient' , iray hafa ho an'ny ambiny sisa.
Yemenita Mpikatroka Mafàna Fo Mahazo Fandrahonana Ho Faty Ao Amin'ny Facebook
Nahazo fandrahonana ho faty tao amin'ny boaty famelàna hafatra ho azy tao amin'ny Facebook i Hani Al-Junid, Yemenita mpikatroka mafàna fo ara-politika manana ny lazany no sady mpanao gazety ihany koa. Ilay fandrahonana, nataon'olona tsy fantatra, dia nampitandrina an'i Al-Junid fa hoe efa akaiky ny "fara-androny".
Ejipta: Sampam-pitsikilovan'ny Marionety
Tao Ejipta, voampanga ho nandefa hafatra miafina hoan'ireo mpampihorohoro ny marionety mitovy endrika amin'ny olo-malaza iray. Manazava ny antony mahatonga ilay saribakoly hiakatra fitsarana i Amr Tarek.