Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2014
Ankona Sy Mitsiriritra Eo Ampijerena An'i Okraina I Iran
nahatsiahy ny revolisiona nikarakarana fihetsiketsehana goavana indray mandeha tamin'ny 2009 ho fanoherana ny fitondrana ao amin'izy ireo izay tsy nahomby tao amin'izy ireo kosa ny Iraniana.
Hetsi-panoherana Tany Venezoela : Maty Voaatifitra Teo Amin'ny Lohany Ilay Mpanjakavavin'ny Hatsarana
Maty noho ny ratran'ny tifitra nahazo azy tamin'ny lohany i Genesis Carmona. Izy no olona niharan'ny herisetra farany amin'ilay hetsi-panoherana ao amin'ny firenena.
Bilaogera Indiana Mampiharihary Ny Fomba Fangalaran-dasantsy Tamin'ny Alalan'ny Lahatsary
Fanao ratsy mihanaka eny amin'ny ankamaroan'ireo tobin-dasantsy ao amin'ny firenena ny fangalarana, izay mila hiadiana amin'izao fotoanan'ny vidin-dasantsy miakatra izao.
Ny Lapa Tsara Tarehin'i Yanukovitch Ao Rosia
Ekena fa efa zava-mahazatra an'ireo Rosiana ny ohatra omen'ireo mpisehatra politika any aminy amin'ny resaka harena sy ny tsy fahaiza-manavaka ny ratsy sy ny tsara, satria mitete tsy tapaka ety anaty aterineto ny sarin'ny toeram-ponenan'izy ireo.
Avy Any Kiev Mankany Moskoa: Hetsika Ao Rosia Mitondra Kodiarana
Ho fihantsiana dia nitondra kodiarana betsaka hanaovana fihetsiketsehana ao Moskoa ny Rosiana mpidina an-dalambe ho fanoherana ny fisian'ny gadra politika.
Tsaho Sy Sary Hosoka Mampanaitra Ny Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Venezoelà Ho Tompon'Andraikitra Kokoa Amin'Ny Zavatra Avoakany
Ny krizy mitranga ankehitriny ao Venezoela no mametraka ny mpiserasera ho lohalaharana amin'ny fampielezam-baovao, saingy tsy ny rehetra tsy akory no mangarahara na tompon'andraikitra amin'ny fitaterany ny zava-mitranga.
Ilay Venezoela Hotsaroako Mandrakariva
Mahatsiaro ilay Venezoela tanyamin'ny taona 1990 ilay Peroviana Gabriela Garcia Calderón, firenena iray tena hafa mihitsy amin'ilay iray izay avoaka any anaty lohateny vaventin'ny fampahalalam-baovao faramparany teo
#EuroMaidan Mpamonjy Voina Voatifitra Teo Amin'ny Tenda, Mibitsika hoe : “Velona aho!”
Voan'ny tifitry ny mpitifitra miafina teo amin'ny tenda i Olesya Zhukovskaya, ary mbola nahavita nibitsika hoe "maty aho". Fahamaivamaivanana goavana no tsapa nanerana izao tontolo izao nony re fa velona soa aman-tsara ihany izy.
Araho Mivantana Ny Fihetsiketsehana #Euromaidan Ao Okraina
Niafara tamin'ny famoizan'ain'olona goavana ny fifandonana teo amin'ny olom-pirenana an'hetsiny sy ny herim-pamoretan'ny governemanta nandritra ny fihetsiketsehana tao Okraina ny harivan'ny 18 Febroary.
Okraina: “Maty Tety An-Tànako Ny Tovolahy Iray” #EuroMaidan
Mpianatra iray ao Kiev, Okraina no nibitsika ny maraina ka hatramin'ny misasakalin'ny andro nisian'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny polisy izay namoizana aina 25 raha kely sy naharatràna an-jatony maro