
Fandravahana mampiseho ny filentehan'ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan tany am-boalohany ho any ambadiky ny tendrombohitra. Fandravahana avy amin'ny pejy Facebook-n'i Elnur Isakov.
Nolanian'ny parlemantan'i Kyrgyzstan, nandritra ny fandinihana faharoa sy fahatelo tamin'ny 20 Desambra, ny volavolan-dalàm-panovana ny sainam-pirenena. Taorian'ny latsa-bato, niarahaba ireo solombavambahoaka tamin'ny “fanitsiana ny sainam-pirenena” i Nurlanbek Shakiyev, iray amin'ireo roa niandohan'ity volavola ity sady filohan'ny parlemanta ary nilaza ry zareo fa “hiditra ho tantara ho parlemanta nanitsy ny sainam-pirenena” ary mety hahazo ny sata “fanta-poko fanta-pirenena”.
Ity misy ranty Instagram ahitana ny sainam-pirenena tany am-boalohany (ôrizinaly).
Ity misy Instagram ahitana ny saina vaovao natolotra.
Ny hany mijoro eo amin'ny lalan'ny sainam-pirenena vaovao dia ny sonian'ny filoha eo ambanin'ny volavolan-dalàna. Tsy isalasalana fa ny filohan'ny firenena Sadyr Japarov no hametraka ny dingana farany, satria niaro ny fanovana izy ary vao haingana no niaiky fa niaingàn'ny hevitra voalohany hanova ny saina. Nandritra ny kabary teo anoloan'ny Kurultai-mbahoaka faharoa notontosaina tamin'ny 15 sy 16 Desambra, nangatahan‘i Japarov ireo solontena hanohana ny hetsika ary nambarany fa izy no nangataka an'i Shakiyev sy ny solombavambahoaka Ulan Primov handany izany ao amin'ny parlemanta.
Ity misy lahatsary YouTube ahitana an'i Japarov mangataka amin'ireo solontena Kurultai hanohana ny fanovana sainam-pirenena.
Nolaniana tamin'ny 3 marsa 1992, fotoana fohy taorian'ny nahazoan'ny firenena fahaleovantena tamin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1991 ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan. Olona dimy nijoro no namolavola azy. Eo afovoan'ny saina no misy ny tunduk volamena, fanorenana hazo sady tampon'ny yurt (tranolay boribory), izay idiran'ny hazavana ao amin'ny foneana iray. Asehon'ny sainam-pirenena ny firaisankina sy fisakaizana ary tanindrazana. Ny tara-masoandro manonja manodidina ny tunduk no manondro ny firaisan’ireo foko fahiny 40, izay nivondrona hanangana an'i Kyrgyzstan. Tondroin'ny loko volamena ny harena sy ny fahamarinan-toerana, ary tondroin'ny loko mena ny fandresena, ny herim-po ary ny hafanam-po.
Tsy isalasalana fa efa vonona ho hetsika faran'izay tsy ankasitraham-bahoaka indrindra tamin'izay nataon'i Japarov ny fanovana sainam-pirenena. Tao anatin'ny 32 taona nananan'i Kyrgyzstan fahaleovantena, tsy mbola nisy mihitsy antsom-bahoaka hanova azy io. Rariny ny milaza fa tian'ny vahoaka Kyrgyzstani ny saina tany am-boalohany, ary niharihary izany tamin'ny hamaroan'ny ranty tao amin'ny media sosialy manohitra ny fanovana azy.
Ity misy ranty Instagram avy amin'ny bilaogera Kyrgyz iray malaza amin'ny fitsangatsanganana, maneho ny heviny manoloana ny fanovana sainam-pirenena.
Ity misy ranty Instagram misy hevitr'olon-tsotra momba ny fanovana sainam-pirenena.
Tsy irery izy ireo amin’ny fanoherana ataony. Nanohitra ity santatr'andraikitra ity ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta voalohany izany nandany ny saina tamin'ny taona 1992. Nanohitra izany ihany koa i Bekbosyn Jaichybekov, iray amin'ireo namolavola ny sainam-pirenena voalohany, tamin'ny filazany fa “ny ratsy indrindra amin'ny safidy rehetra azo atao” ity endrika vaovao ity anondroana ny fanapahan-kevitra hanova ny tara-masoandro manonja ho matsoko maranitra.
Nanome fanazavana mampivandravandra momba ny fanovana ny saina ny filoha, manomboka amin'ny filazana ny sainam-pirenena ho mampahatsiahy ny voninkazo tanamasoandro ka hatramin'ny fanomezan-tsiny ny saina ho mahatonga olana ara-politika sy ara-toekarena ao Kyrgyzstan. Araka an'i Japarov, “ho toy ny masoandro mamirapiratra sy mitsiky” izany amin'ny sainam-pirenena vaovao, ary hivadika ho “firenena mandroso sy mahaleotena” i Kyrgyzstan.
Hatramin'ny nahatongavan'i Japarov teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2020 vokatry ny hetsi-panoherana nanaraka ny fifidianana solombavambahoaka feno hosoka, dia nangoniny ho eo an-tanany ny fahefana tamin'ny fanovana ny lalàmpanorenana. Nanamarina ireo fanovana ireo izy tamin'ny filazana fa mila tanana matanjaka i Kyrgyzstan hamerenana ny filaminana sy hitondrana ny fanambinana. Mbola ny voka-dratsin'ny tanany mahery aloha hatramin'izao no zakain'ny olona ao Kyrgyzstan hatramin'izao, ary ohatra mibaribary indrindra amin'izany ny fanovana sainam-pirenena.