· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2018

Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?

Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny fanomezandalana avy amin'ny fanjakana.

30 Jolay 2018

Repoblika Demokratikan'i Kongo : Fahafatesan'Ilay Mpiaro Ny Zon'Olombelona, Floribert Chebeya

Floribert Chebeya, mpitarika fikambanana iray mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny Repoblika Demokratikan'I Kongo, no hita faty ny 2 jona 2010. Ho fanehoankevitra amin'io vono olona io izay niampy habibiana hafa sy fanolanana maro, hetsika maro no nokarakaraina tany amin'ny faritra maro misy ireo Kongoley mpila ravinahitra.

25 Jolay 2018

Ejipta: Manabaribary Ny Herisetra Miseho Mandritra Ny Black Out-n'ny Haino Aman-jery Ny Mediam-Bahoaka (Sary Mahery Setra)

Nandritra ireo dimy andro nahatapahan'ny haino aman-jery sy ny fifaneraserana tao Ejipta, vitan' ireo mpikatroka ny namadika ilay sivana ary namoaka lahatsary naharitra ora maro, naharakitra ny herisetra niseho nandritra ilay ''revolisiona'' izany, lavitra ireo sehatra milamina amin'ny fifamoivoizana tsotra ao afovoan'i Kairo sy ny làlana tsy misy olona izay alefan'ny fahitalavi-panjakana nandritra ilay fotoana fandraràna. Mahery setra avokoa ireo lahatsary ireo tamin'ny voalohany. tsaratsara kokoa raha miafinafina ny mpijery..

25 Jolay 2018

Sri Lanka: Natao Fahirano Ny Toeram-piasan'ny Firenena Mikambana

Lasibatry ny tsikera ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon , satria tamin'ny 22 jona farany teo, namolavola kaomisiona mpanadihady izy natao hanasokajy ny famaritana ny andraikitra tamin'ny fifanitsakitsahana ny zon'olombelona izay toa natao nandritra ny ady an-trano niseho teo amin'ny fanjakana sy ireo mpanohitra avy ammin'ny LTTE no tanjony.

24 Jolay 2018