Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2012
Espaina: “Tsy Fankatoavana Ara-Pahasalamana” Noho Ny Fepetran'ny Fitsitsiana
Nanangana sehatra entina hanoherana ny fanavaozana ara-pahasalamana natao vao haingana ny vondrona tsy miankin'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpandray anjara amin'ny hopitalim-panjakana. Nomena anarana hoe”Eny hoy aho ho an'ny fahasalaman'ny...
Québec : Fifidianana Solombavambahoaka Mafampàna Taorian'ny Lohataona “québécois”
Hatao amin'ny 4 Septambra 2012 izao ny fifidianana solombavam-bahoaka 2012 any Quebec. Hifidianana ireo solombavambahoaka andiany faha-40 ho ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Québec izy io. Ireo fitsapan-kevitra farany dia maneho fa ireo mpitaky fizakan-tena avy amin'ny antoko Parti Québécois (PQ) no mitarika. Ny adin'ny mpirahalahy eo amin'ny federalista sy ny mpitaky fizakan-tena no nandrafitra hatry ny fiainana ara-politikan'i Québec. Maneho hevitra momba ilay fitsapan-kevitra, herinandro vitsy mialoha ny fifidianana Ireo mpikirakira aterineto ao Québec.
Vonjeo Ireo Toerana Lova Tandindonin-doza Ao Syria
Etsy ankilan'ny fitomboan'isan'ny maty, misy famonoana iray atao an'ireo lova ao Syria koa izao. Kely no mba resaka atao mikasika io olana io, na any anaty fampahalalam-baovao mahazatra na anatin'ireo media sosialy hoy i Thalia Rahme.
Mpanao Sariitatra Politika Toniziana _Z_: ‘Tsy Nisy Zavatra Tena Niova’
Nampiasa ny bilaoginy manokana debatunisie.com hanambarany ny heviny hatramin'ny 2007 ny mpanao sariitatra politika tsy fantatra anarana ‘_Z_’. Hita ho tsy mahafaly ny Islamista ao Tonizia ihany koa ny sariritatra tsy nahafaly...
Syria: Henatra Ho An'ny Fanovàna Ianao
Misy famantarana fito ho an'ireo "henatra ho an'ny fanovàna" - na fanovàna inona izany na inona. Ao amin'ny Twitter, manome ny lisitr'ireo famantarana ireo ilay Syriana @NMSyria.
Sénégal : Tondradrano Mamono Olona 18 Sy Mangihy Ny Firenena
Ny 26 Aogositra 2012, niteraka tondradrano mahatsiravina ireo oram-be nivatravatra tamin'ny faritra maro tao amin'ny firenena. Ny fanisàna dia nahitàna maty niisa 18 ary naratra 42. Napetraky ny goveremanta senegaly ny Drafitra Vonjy taitra (Orsec )mba hamonjena ireo tra-boina
Tonizia: Miatrika Fitsarana Miaramila Ny Mpanolotsaina Fahinin'ny Filoha Noho Ny Fanakianan'ny Tafika
Niatrika fitsarana miaramila i Ayoub Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, noho ny fanambaràny momba ny Praiminisitra Libiana teo aloha, Baghdadi Mahmoudi (fony Gaddafi). Nolazainy fa "famadihana ny Fanjakana" ilay fampodiana.
Graffitis Mitarika Fahatsiarovan-tena Amin'ny Vanim-potoana Manahirana
Amin'izao fahasahiranana ara-toekarena misy ankehitriny izao, mifanjevo amin'ny hafatra sosialy maro ny graffiti. Ity ny sasany amin'ireo haikanto an-tanan-dehibe.
Sri Lanka: Mihamafy Ny Fatotra Manery Ny Fahalalahana Miteny Antserasera
Mamely ny fahalalahana miteny amin'ny aterineto ao Sri Lanka ny lalàna vaovao navoakan'ny fitondrana. Tsy maintsy handoa Rs. 25.000 ($193) ho fisoratana anarana ary Rs. 10.000 isan-taona ho fanavaozana ny fisoratana anarana ny vohikalam-baovao rehetra manomboka izao. Manery ny bilaogera hanao sivana ny tenany noho ny tahotra ny tahaka izao
Meksika: Manao Amboradara Ho Amin'ny Fandriampahalemana
Miaraka manatontosa ny amboradaran'ny Fandriampahalemana any amin'ny tanàna tahaka an'i Guadalajara, Monterrey ary Mexico City, ny lehilahy sy ny vehivavy avy amin'ny sokajin-taona rehetra hametaka ny anaran'ireo niharan'ny herisetran'ny Ady amin'ny Rongony amina mosoara fotsy.