· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2009

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

  28 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

Iran: Hetsi-panoherana an'i Ahmadinejad any New York

  24 Septambra 2009

Miandry ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad izay nandeha nankany New York, hanatrika ny fivoriam-ben'ny Firenena Mikambana ny hetsi-panoherana ny governemanta Iraniana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any Iran. Manentana...

Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadona

  24 Septambra 2009

Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana “maitso” manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana...

Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han

  22 Septambra 2009

"Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza...Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!"

Iran: Miomana hihetsika mafimafy kokoa amin'ny andron'ny Quds

  17 Septambra 2009

Mbola mihaika ny fitondrana islamika amin'ny fomba maro samihafa ihany ny hetsi-panoherana ao Iran, hatramin'ny fiantsoana ‘Allaho Akbar’ (Lehibe Andriamanitra) hatreny an-tampon-trano amin'ny alina (fifampiarahabana hatramin'ny fotoanan'ny fanoherana) mandra-pahatongan'ny fihetsiketsehana...

Pakistana: Fahafatesana nandritra ny Seho mivantana

  13 Septambra 2009

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pakistane ny fahafatesan'ilay Pakistane iray mpandray anjara tamina seho mivantana. Mpitoraka blaogy maro no manontany momba ny fisian'ireny karazana seho fialamboly ireny, izay tsy ampy fepetra fiarovana, ary ny andraikitr'ireo vondrona vaventy izay manohana azy ireny.