Nahitàna taham-pahavitrihana faran'izay ambany ny fifidianana Filan-kevitry ny Distrika “tia tanindrazana irery ihany” tao Hong Kong, na dia nandany vola an-jatony tapitrisa aza ny governemanta tamin'ny fampitomboana ny isan'ny mpifidy sy ny fanitarana ny ora fandatsaham-bato hatramin'ny misasakalina.
Ny fifidianana tamin'ny 10 Desambra no voalohany notontosaina teo ambanin'ny lalàna vaovao mifehy ny fifidianana izay manilika ny “tsy tia tanindrazana” amin'ny alalan'ny famerana ny fahefana manendry ho an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona mpanolotsaina telo ao an-toerana izay notendren'ny governemanta. Tsy maintsy nahazo fanendrena telo farafahakeliny avy amin'ireo mpikambana notendren'ny governemanta 2.533 avy amin'ny komity miady amin'ny heloka bevava, komitin'ny afo ary ny komitin'ny faritra ao amin'ny distrika ny kandidà tsirairay.
Manodidina ny 1,19 tapitrisa ny isan'ny mpifidy nandatsa-bato tamin'ny 10 Desambra. Mandrafitra ny 27,5 isanjaton'ny mpifidy izany. Nahatratra 71,2 isan-jato ny taham-pahavitrihana tamin’ny Fifidianana Filan-kevitry ny Distrika 2019, izay nahatonga ny fandresena lehibe teo amin’ireo kandidà mpomba ny demaokrasia nahazo toerana 389 tamin’ny fifidianana mivantana.
Satria manome fahefana ireo mpikambana 2.533 ao amin'ny komity telo ao an-toerana ny lalàm-pifidianana vao nampidirina mba hifidy toerana 176 ao amin'ny fari-piadidian'ny komity sy hanendry ireo kandidà hifaninana amin'ny toerana 88 any amin'ny fari-pifidianana ara-jeografika alohan'ny handatsahan'ny vahoaka ny vato, amin'ireo toerana 264 voafidy, 90 isanjato (toerana 247) mahery no avy amin'ny mpikambana ao amin'ny komity telo.
Amin'ireo toerana voatendry sy ex-officio ambiny, 179 no nofidin'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka, ary 27 avy amin'ny komity ambanivohitra.
Raha nihena ny isan'ny seza voafidy mivantana izay 452 tamin'ny taona 2019 ka nihena 88 tamin'ny taona 2023, saika nitombo avo roa heny ny fandaniana tamin'ny fifidianana 2023 raha oharina tamin'ny teo aloha izay HKD 600 tapitrisa (eo ho eo amin'ny 76,9 tapitrisa dolara) ary niakatra HKD 1,150 tapitrisa (eo ho eo amin'ny 147 tapitrisa dolara).
Saika ny ampahany lehibe amin'ny tetibola no lany tamin'ny fampisondrotana ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy ho an'ireo faritra ara-jeografika 88 voafidy mivantana:
Concerts, drone show, and free museum visits to promote Hong Kong’s ‘patriots’ District Council race
🔗 https://t.co/Sg9vhA1q76 pic.twitter.com/ZicWdD2cWr
— Hong Kong Free Press HKFP (@hkfp) November 28, 2023
Kaonseritra, fampisehoana drôna, ary fitsidihana tranombakoka maimaim-poana mba hampiroboroboana ny fifidianana Filankevitry ny Distrika ‘tia tanindrazana’ ao Hong Kong
Hong Kong gov’t gives elderly centres HK$3.4 million to help seniors cast their votes in ‘patriots’ District Council race
https://t.co/pi2BA5fejx pic.twitter.com/5tJ1HDVlGW
— Hong Kong Free Press HKFP (@hkfp) December 4, 2023
Nanome 3,4 tapitrisa dolara HK ho an'ny foiben'ny zokiolona i Hong Kong hanampiana ireo zokiolona handatsa-bato amin'ny fifidianana Filankevitry ny Distrika ‘tia tanindrazana’.
Na izany aza, nilatsaka ambany indrindra ny taham-pahavitrihana raha toa ka nahatonga fanitarana fotoam-pifidianana hatramin'ny misasak'alina tamin'ny 10 Desambra ny tsy fahampian'ny solosaina. Nidera ny vokatra ho “taham-pahavitrihana tsara” ny lehiben'ny mpanatanteraka ao an-tanàna, John Lee :
Hong Kong SAR CE John Lee described this year's District Council Election as of great significance. The past elections were hijacked by anti-government forces that advocated for “HK independence” and jeopardized local governance. pic.twitter.com/PoRq6HAtFb
— Global Times (@globaltimesnews) December 10, 2023
Nanoritsoritra ny Fifidianana Filankevitry ny Distrika tamin'ity taona ity ho zava-dehibe ny Lehiben'ny Mpanatanteraka SAR, John Lee ao Hong Kong. Nosovohan'ny hery manohitra ny governemanta izay niaro ny “fahaleovantenan'i HK” sy nanohintohina ny fitantanana teo an-toerana ireo fifidianana teo aloha.
Nahazo toerana 109 tamin'ny fifidianan'ny komity sy ny faritra ara-jeografika ary lasa antoko lehibe indrindra tao amin'ny filankevitry ny distrika ny antoko politika mpomba an'i Shina, ny Firaisankina Demaokratika ho amin'ny fanatsarana sy ny fandrosoan'i Hong Kong (DAB), arahin'ny Federasionan'ny Sendikan'ny Mpivarotra mpomba an'i Shina Hong Kong (toerana 27), ny Antokom-bahoaka Vaovao mpomba ny fitondrana Hong Kong (toerana 15), ny Antoko Liberaly mpanohana orinasa (toerana dimy) ary ny Firaisamben'ny Orinasa sy ny Matihanina ao Hong Kong (toerana 12).
Nofoanana tao anatin’ny rafi-pifidianana vaovao avokoa ireo feo manohana ny demokrasia sy ny fanakianana. Nosamborina talohan'ny nivoahany ny trano fonenany ireo nikasa naneho ny ahiahiny teny an-dalambe.
Three Hong Kong pro-democracy activists were arrested, just before voting began in a ‘patriots only’ district election that has marginalized formerly popular opposition figures in the city amid a national security clampdown https://t.co/07L93VEitV pic.twitter.com/gnkEBOA1Fu
— Reuters (@Reuters) December 10, 2023
Mpikatroka telo mpomba ny demokrasia ao Hong Kong no nosamborina, taloha kelin'ny nanombohan'ny fifidianana distrika ‘tia tanindrazana irery’ izay nanilika ireo mpanohitra malaza taloha tao an-tanàna tao anatin'ny famoretana ho an'ny fiarovam-pirenena
Nanantitrantitra tamin'ny fanambarany ny Biraon'ny Raharaham-bahiny Hong Kong sy Macau avy any Beijing fa hametraka ireo sampan-draharaha eo an-toerana “hiverina amin'ny lala-marina” ireo mpanolotsainan'ny distrika vaovao.
Noraisin'ny Vondrona mpikatroka Hong Kong monina any Angletera, Hong Kong Watch, ho toy ny fanamelohana ny politikan'ny famoretana ataon'i Shina ao Hong Kong ny fahavitsian'ny mpifidy:
“Hong Kongers have spoken loud and clearly. They do not accept the Chinese Communist Party’s current system as legitimate. The international community should follow suit by not recognising this sham election nor its results”, said our CEO @benedictrogershttps://t.co/NoTLWENaoW
— Hong Kong Watch (@hk_watch) December 11, 2023
“Niteny mafy sy mazava ny Hong Kong. Tsy eken'izy ireo ho ara-dalàna ny rafitry ny Antoko Komonista Shinoa ankehitriny. Tokony hanaraka izany ny fianakaviambe iraisampirenena amin'ny tsy fankatoavana an'ity fifidianana mahamenatra ity sy ny vokatra azony”, hoy ny filoha tale jeneraly
Nampitahain'ilay mpanao sariitatra Ah To ny tahan'ny latsa-bato ao Hong Kong tamin'ny zava-bitan'ny tsenan'ny tahirin'entana mba hanesoana ny tsy fahombiazan'ny fitantanana ny tanàna taorian'ny nandanian'ny Lalàna momba ny Filaminam-pirenena tamin'ny taona 2020:
氣氛祥和,我睇到由治及興帶嚟嘅好處
阿塗漫畫™️ @ah_to_hkhttps://t.co/Hy2SY6J3zP#區選 #區議會 #區議會選舉 #完善選舉制度 #愛国者治港 #永續港共極權 #垃圾港共 #經濟攬炒 #由治及興 pic.twitter.com/swBu93cSqZ
— 777文宣傳播稿件大合集 (@hkposter777) December 12, 2023
Tontolo milamina, hitako izao ny tombontsoa rehetra entin'ny fitantanan'ny NSL ho antsika.
Taorian'ny fifidianana filankevitry ny distrikan'i Hong Kong, nilaza ny mpitondra tenin'ny governemanta UK hoe:
Meaningful opposition in Hong Kong’s electoral system is being eliminated. We strongly urge the Hong Kong Government to uphold its international commitments and respect the civil rights and freedoms of Hong Kong citizens.
Nofoanana ny fanoherana manan-danja ao amin'ny rafi-pifidianana ao Hong Kong. Mamporisika mafy ny Governemanta Hong Kong izahay mba hanohana ny fanoloran-tenany iraisampirenena ary hanaja ny zo sivily sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena Hong Kong.
Nanolotra an'i Hong Kong nozanahana ho an'i Shina ny governemanta Britanika tamin'ny taona 1997 araka ny nifanarahana tamin'ny Fanambarana Iraisan'ny Sinoa-Britanika, izay miantoka fa hofehezina amin'ny foto-kevitry ny “Firenena iray, Rafitra roa” miaraka amin'ny fizakan-tena ambony i Hong Kong.