Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2012
Haiti: Fanehoan-kevitra Tanaty Aterineto Momba Ny Raharaha Duvalier
Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2012, ny mpitsara mpanao famotoana mitady vesatra mikasika ny zon'olombelona hanenjehana an'ilay mpanao didy jadona voaongana tany Haiti, Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, dia nanapa-kevitra fa "tapitra ny fe-potoana voafetran'ny lalàna mikasika ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona - tsy izany kosa anefa ny amin'ny fangalàran'i Duvalier ny volam-panjakàna.
Shily: Mizàra Ny Sarin'Ireo Hetsi-panoherana tany Aysén Ireo Mpampiasa Twitter
Nihanahazo hery ny hetsika sosialy iray izay mitaky hatsaràm-piainana bebe kokoa sy fihenan'ny vidim-piainana any amin'ny Faritr'i Aysén any Patagonia Shiliana. Mampiakatra ny sariny ao amin'ny Twitter ireo vahoakan'i Aysén mba hampisehoana ireo hetsika, fanakànana sy fifandonana izay nitranga nandritra ireo andro vitsy.
Zeorzia: Fampielezan-kevitra Ao Amin'ny Aterineto Mikendry Ny Pejy Facebookin'ny Filoham-pirenena Rosiana
Miaraka amin'ireo miaramila Rosiana mitoby any amin'ireo faritra mpampisarakan'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo, an-jatony ireo Zeorziana mitaky ny fialàn'izy ireo ao amin'ny pejy Facebookin'ny filoham-pirenena Rosiana.
Bolivia: Mitaky Fanatsarana Ny Fikarakarana Azy Ny Olona Manana Fahasembanana
Efa ho 100 andro izao, nanao diabe niainga avy teny amin'ny lemaka atsinanana hizotra ho any amin'ny Foiben'ny Governemanta, miorina 3600 metatra ambonin'ny ranomasina, ny vondron'olona manana fahasembanana hitaky fanampiana ara-bola 3000 Bolivianos (434 US dollars eo ho eo) isan-taona farafahakeliny.
Togo : Manery an'i Faure Gnassingbé Ny Fikambanana Miaro ny Zon'olombelona
Fanindroany tamin'ity taona 2012 ity indray, naneho ny tsy fifaliany ny Fikambanana Mpiaro ny zon'Olombelona manoloana ny toe-draharaha sosio-politika ao amin'ny firenena. Tamin'ny 11 febroary farany teo, nanao diabe tao amin'ny presidansa ao Lomé ny tompon'andraikitra ao amin'ny ODDH, ny mpitolona sy ny mpanohana.
Rosia: Tatitra An-tsary Ataon'ny Bilaogera Sy Eritreritra Manoloana Ny Hetsika Ataon'Ireo Mpomba an'i Putin ao Moskoa”

Tamin'ny 23 Febroary lasa teo, folo andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa, nanao lahateny ho an'ireo vahoaka an'arivony tao amin'ny stady Luzhniki ao Moskoa ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin . Nanatrika ny hetsika tamin'ny 23 Febroary ihany koa ny mpamahana bolongana sasantsasany monina ao Moskoa. Ireto ambany ireto ny fantin-tsary nalain'izy ireo sy ny fijerin'izy ireo izany, ahitana fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny mpihaino izany.
Ankapobe: Fiaretan-tory Ho Fiaraha-Mientana Amin'ny Tibetana
Hatramin'ny Febroary 2009, 23 ny Tibetana nandoro tena ho endrim-pihetsehana anafahana an'i Tibet sy ny fiverenan'ny Dalai Lama. Mandritra ny taombaovao Tibetana, mampiseho ny fanohanany ny Tibetana amin'ny alalan'ny hetsika sy ny fivavahana ny mpikatroka manerantany.
Kolombia: Olon-tsotra Mpanao Gazety Rahonana Noho Ny Lahatsariny Be Mpanaraka
Bladimir Sánchez, olon-tsotra manao gazety, dia efa nahazo fandrahonana sahady noho ny namokarany lahatsary iray mampiseho ny fanalàna an-terisetra ireo tantsaha sy mpanjono nanohitra ny fanamboarana tohodrano ho famokarana herinaratra ao amin'ny departemantan'i Hula, Kolombia tamin'ny 14 sy 15 Febroary. Tao anatin'ny telo andro latsaka fotsiny dia efa olona 600.000 no nijery azy io.
Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana
Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.
Syria: Hatairana Sy Tsi-Finoana Manoloana Ny Fahafatesana Mpanao Gazety
Tsy maintsy niahotra kely androany [omaly] ny mpisera mitatitra isan'andro amin'ny tambajotra an-tserasera ny fandripahan'olona any Syria isaonana ny fahafatesan'ny mpanao gazety nahafoy ny ainy handeha ho any Syria ka hilaza amin'izao tontolo izao ny fahorian'ny Syriana.