Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2020

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2020

Mpianatra nitarika hetsi-bahoaka anoherana ny jadona teo amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao Thailandy

Namoaka fitakiana teo ny mpanao fihetsiketsehana izay mifandraika amin'ny fanitsiana demaokratika sy ny fiarovana ny zon'olombelona ary nanome tapabolana ny governemanta hamaly.

Korea Atsimo, ampangaina ho mamerina manoratra tantara vaovao ho an'ny boky fampiasan'ny lisea

Rakotry ny kiana ny governemanta Koreàna Tatsimo noho ny fanomezany vàhana ireo boky fianarana manohana ny faharesendahatra pôlitikan-dry zareo izay manasa ireo tsy fetezanjavatra vitan-dry zareo tamin'ny lasa.

Tohizan'i Kambôdza ny fanakanana ny hetsika fanomezam-boninahitra an'i Kem Ley mpamakafaka politika novonoina

Efa-taona no lasa, mbola tsy raharahian'ny governemanta ny fitakiana amin'ny fananganana ny voamiera mahaleotena hanao fanadihadiana ny famonoana.

Mandray ny maripanan'i Hong Kong: Hanao ahoana ny hoavin'ny hetsika ao amin'ny fanoherana?

Hatramin'ny hetsika nahazoana olona roa tapitrisa tamin'ny herintaona ka hatramin'ny "faribolana ara-toekarena mavo" amin'izao fotoana, nandray endrika maro ny fifaharana isa-toerana.

Pastora Angoley maromaro nisintaka tamin'ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany

"Eglizy Erantanin'ny Fanjakan'Andriamanitra nohavaozina ao Angôlà" no anarana toa hipetraka ho an'ilay eglizy vaovao nivoaka avy amin'ny fivakisana

Taorian'ireo hetsika “Black Lives Matter”, lasa marika amantarana tsy fitoviana sy fanavakavahana ao Brezila ny fahafatesan'ny ankizy mainty hoditra iray 5 taona

Nianjera avy amin'ny rihana fahasivy i Miguel raha izy ilay napetraka ho jerijeren'ny mpampiasa an-dreniny

Misarika ny saina amin'ny #DalitLivesMatter ny Indiana

Mijery akaiky ny iray amin'ireo mponina mahantra indrindra ao amin'ny firenena ny Indiana rehefa nentanin'ny aingam-panahy tamin'ny hetsika #BlackLivesMatter.

Mihaika ny lalàna vaovao nolaniana momba fiarovam-pirenena tamin'ny fihetsiketsehana tsy misy mpitarika ny Hongkongers

Namintina ny fihantsian'ny mpanao fihetsiketsehana ny afisy lehibe iray. "Tianay p..y i Hong Kong" hoy ny fivakiny.

Mbola eo ampelatanan'ny manampahefana Iraniana ny ain'ny mpifindra monina Afghana

Raha Afghana an-tapitrisany no nialokaloka tany Iran mpifanolo-bodirindrina aminy dia nisy sasany tamin'izy ireo ihany koa no maty teo ampelan-tanan'ny manampahefana Iraniana rehefa namakivaky ny firenena hihazoana an'i Eoropa.

Lasa sesitany rehefa avy any am-ponja: antsafa nifanaovana tamin'ilay mpikatroka Vietnamiana Tran Thi Nga

Gadra politika teo aloha noho ny fanehoan-kevitra miresaka momba ny niainany taorian'ny nisamborana azy sy ny fiantraikan'ny famonjana azy teo amin'ny fianakaviany.