Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jona, 2009

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2009

Tontolo Arabo: Aleo hanao izay tiany eo ny Iraniana

  25 Jona 2009

Nitana ny votoatin'ny bilaogy arabo efa ho herinandro izao ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vokany natao tany Iran, miaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka bilaogy eny rehetra eny. Mangataka an'izao tontolo izao i Harrega mpitoraka bilaogy jordaniana hiala mandritra ny famahanan'ny Iraniana samy irery ny aferany: Nifidy ry zareo, na marina io...

Tohin

Però: Ireo tompon'andraikitra tamin'ny famonoana nandritra ny ady tao Amazonia

  25 Jona 2009

Niteraka resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy tany Pérou ilay zava-nitranga nampihorin-koditra niseho tany Bagua ao anaty alan'i Amazonie any amin'ity firenena ity. Tsikerain'ny mpitoraka bilaogy maro ny filoha Alan Garcia sy ny governemantany satria tsy nanaja ireo fifanarahana sy fifanekena milaza fa alohan'ny hanaovana zavatra ao amin'ny tanin'ireto tompon-tany ireto...

Tohin

Niger: Mitsipaka ny fanalavana ny fe-potoana fiasan'i Tandja

  05 Jona 2009

Miakatra ny tosi-dra any Niger taorian'ny soson-kevitra nataon'ny filoha Mamadou Tandja hanao fitsapan-kevi-bahoaka, izay raha lany, dia hamela ny filoham-pirenena hanova ny lalàm-panorenana hahafahany manalava ny fe-potoana hiasany, izay efa naharitra 10 taona. Mamadou Tadja, filohan'i Niger hatramin'ny 1999, te hanova ny lalàm-panorenana hijanonany eo amin'ny fitondrana. Ny herinandro lasa...

Sina: Ny fivoaran'ny demokrasia hatramin'ny 1989

  04 Jona 2009

Nandritra ny faran’ny herinandron’ny Fetin’ny Reny farany teo tamin’ny 10 Mey, nisy avara-pianarana maromaro tao Beijing nanomana seminera hiresahana ny faha-20 taonan’ny hetsika ho an’ny demokrasia tany Sina. Hetsika manan-danja tokoa io mba handrodanana ny fahanginan’ireo avara-pianarana momba ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny 4 Jona, ary mba hanoherana ny fijery...

Ejipta: Tsy ‘tongasoa’ ve i Obama?

  04 Jona 2009

Valo amby efapolo ora mialoha ny kabary andrasan'ny tontolo arabo sy silamo fatratra hataon'ny filoha amerikana Barack Obama avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo, dia saiky miray feo daholo ny tontolon'ny fitorahana blaogy Ejiptiana. Tsy faly amin'ny endrika mibaribary sy tafahoatra atao ho fikarakaràna sy fiarovana raisin'ny governemanta ejiptiana ho an'ity...