Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2019
Filipina: Nolavin'ny sampana misahana ny fifidianana ny firotsahan'ny vondrona LGBT hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana
Ho fampiroboroboana ny fifandraisan'ny mitovy taovam-pananahana izay mifanohitra amin'ny finoana ara-pivavahana, nolavin'ny Commission on Elections-Vaomieran'ny Fifidianana (Comelec) ny fangatahan'ny vondrona pelaka Ang Ladlad ho ankatoavina ho antoko afaka mirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010.
Vondrona Miampanga ireo Fanafihana Tsy Miato ety Anaty Aterineto Atao an'ireo Media Tsy Miankina Ao Filipina
"Ny tanjona dia ny hanakanana tsy hahazoan'ny vahoaka noana te-hahazo fampahalalam-baovao sy ireo tantara izay ilainy izay zava-mitranga ao amin'ny firenena ataon'ny lainga sy vaovao tsy marina fahirano."
‘Tsy raboto izahay!’ Fihetsiketsehana ao Berlin manohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eoropeana momba ny sivana amin'ny fampidirana votoaty antserasera
Olona 5.000 teo ho eo no nivory tao Berlin tamin'ny 2 martsa mba hanohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eorpeana mifehy ny zon'ny mpamorona izay mety hanova tanteraka ny fahavitrihana amin'ny fandefasana sy fizarana votoaty an-tserasera.
Ireo Korontana Ara-politika Tao Haiti: Efa Fahita Sa Fotoana Tsara Amin'ny Fanovàna Tsy Azo Atao Ambanin-javatra?
Nakatson'ireo fihetsiketsehana ny sekoly, hopitaly sy tsena tao Port-au-Prince, ary ireo tanàn-dehibe hafa koa. Takian'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fanovàna ifotony ny rafitra: "tabula rasa" (akipilizo daoholo), araka izay fiantson'izy ireo azy.
Mpisera nijoro vavolombelona amin’ny mahazo ny mainty hoditra ao Brezila taorian’ny famonoana ny tanora iray tanam-polo
"11 taona aho tamin’izay ary nosamborina sy nosavaina voalohany. Na mino izany ianao na tsia, nandeha ho any amin’ny tranom-barotra lehibe aho, niaraka tamin’ny rahalahiko, nandeha nijery sinema izahay. "
Mangorom-bolomboasary ny karnavalina tao Brezila ho fanoheran'ny vahoaka ny ‘Bolsogate’
Any Brezila, ny teny Portiogey ho an'ny volomboasary, "laranja", dia teny vazivazy koa ho an'ireo mpanelanelana momba rafitra ara-bola hosoka.. In Brazil, the Portuguese word for orange, "laranja,” is also slang for intermediaries of fraudulent financial schemes.
Nahemotra 10 andro ny famotsorana ilay Ejiptiana mpikatroka Alaa Abd El Fattah
Nanome antoka ny mpanohana ny fanentanana #FreeAlaa fa tsy tokony hampisy ahiahy intsony izay fanemorana izao.
Herintaona tsy nisy Aterineto : tsy afaka niditra an-tserasera ireo Tshadiana nanomboka ny volana Martsa 2018
Toa fahavononana ny hampiasa ity sivana ity ho toy ny fitaovana hanampenam-bava ny fahalalahan’ny olom-pirenena haneho hevitra sy ny fivezivezen’ny vaovao malalaka ao Tchad no tanjona.
Sangy Ratsin-dry zareo Rosiana Momba ny Sivana Anaty Aterineto
Namorona fomba saro-takarina sy tsy hampahazo aina an'ireo mpanivana, ary hatramin'ireo tranonkala mpomba an'i Kremlin ireo mpikatroka ao amin'ny RuNet mba hialàna amin'ny sivana sy ho famaliana bontana.
Simba ny demaokrasia ao Albania, miala ao amin'ny parlemanta ny mpanohitra ka manao famoriam-bahoaka goavana
Albaney an'arivony no nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka notarihan'ny mpanohitra tamin'ny 21 Febroary tao an-drenivohitra Tirana. Mitaky fifidianana vaovao izy ireo taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Voice of America sy ny Balkan Investigative Reporting Network nilaza fa niara-niasa tamin'ny andian-jiolahy tamin'ny tetikady fividianam-bato ireo manampahefam-panjakana tamin'ny fifidianana 2017.