Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Janoary, 2018
Ireo Lahatsary Nahitana Fanehoan-kevitra Avy Amin'ny Fivoriambe Mikasika Ny Fiovan'ny Toetrandro
Indreto misy lahatsary ahitana ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo olona tao amin'ny Fivoriambe mikasika ny Fiovan'ny Toetrandro izay natao nandritra ny herinandro voalohan'ny volana Desambra 2009 tany Copenhagen, Danemark. Miainga amin'ny hetsi-panoherana hatrany amin'ny dihy, zavakanto sy fampisehoana, indro ny santionany kely avy amin'ny COP15.
Iran: Kabarin'i Ahmadinejad Tao Amin'ny Oniversiten'i Columbia
Nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny media manerana izao tontolo izao ny kabarin'ny filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadineajd tao amin'ny Oniversiten'i Columbia ao New York sy ny teny mafy ary ny tsikera nataon'ny filohan'ny onivesite Lee C. Bollinger nandritra ny fanamarihany tamin'ny Alatsinainy 24 Septambra.
Manao Fihetsiketsehana Ny Bilaogera Filipiana Hiarovana Ny Tranokalam-Baovao Rappler

"Mijoro manohitra ny fihetsika fampanginana sy fandrahonana ny mpanao gazety, ny bilaogera ary ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao izahay satria tsy tia fotsiny ny vaovaony sy ny fomba fijeriny ny Filoha sy ireo mpanohana azy."
Bilaogera Maraokana Mitokona Ho an'i Erraji
Raha nosamborina tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Maraokana Mohammed Erraji, nitodika avy hatrany tamin'ny raharaha momba an'i Fouad Mourtada ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Tahaka ny nataon'izy ireo tamin'i Mourtada tamin'ny niatrika fampidirana am-ponja, nihetsiketsika ny bilaogera Maraokana mba hanohana an'i Erraji.
Ny Lahatsarin'ny Fifandonana Tao Egypta
Nitodika tany Egypta ny mason'izao tontolo izao , tamin'ny andro faha-10 nanaovana ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Hita fa nitombo be ny hafatra tao amin'ny Twitter sy ny fandefasana sary sy lahatsary, izay mampiseho ny toe-javatra nisy teny an-dalamben'ny Egyptiana
Lehilahy Miozolomana iray Nodorana sy Novonoina Anatin'ny Fankahalana Silamo ao India
Tokony hahamenatra antsika rehetra ny famonoana feno habibiana an'i Mohammed Afrazul, tsy hisy na inona na inona hanelingelina ny feon'ny fieritreretantsika rehefa tsy manelingelina azy ny fankahalana mahatsiravina tao ambadik'izany.
Mitaky Ny Rariny Ho An'i Zainab, Ankizivavy 7 Taona Voaolana sy Novoina ho Faty Tao Kasur ny Pakistaney
Mahatonga ny vahoaka ao Pakistan hangataka fitsarana haingana sy sazy sahaza ho an'ny nahavita heloka ny fakàna an-keriny, fanolanana sy famonoana zazavavy iray fito taona tao Kasur, Pakistan.
Bangladesh: Politika, Politika Hatrany ary Bilaogera
Nibahana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Bangladeshita ny politika.
Syria-Gaza : Fahatezeran'ireo Bilaogera Syriana
Maneho ny tsy finoany manoloana ny fanafihan'ny Tafi-piarovana Israeliana (IDF), izay nidaroka baomba sy nampiteraka korontana tao Gaza natao fahirano, ary koa manoloana ny fihetsiky ny iraisam-pirenena ny tontolon'ny blaogy.
Netizen Report: Nosakanan'ny Manampahefana Iraniana Ny Tranonkala Iraisampirenena Sy Ny Sehatra Fandefasan-kafatra

Ny Netizen Report an'ny Global voices Advocacy dia manome topimaso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.