· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2018

Nepal: Ny Fitokonan'ireo Madheshi, Ny Governemanta Vonjimaika

  30 Aogositra 2018

Ny olan'ireo Madheshi - olona mivelona ao amin'ireo lemaka meridionaly an'i Nepal - dia mbola vaovao malaza hatrany. Ny fivoriana mikasika ireo Zon'ny Mponina ao Madhesh, izay anton'ny fihetsiketsehana goavana tao atsimon'i Terai mitaky an'ireo tombontsoa mitovy sy ny tsy fanilikilihana, dia namerina indray koa ireo fitokonana.

Nepal : Hetsipanoherana bobaka be

  29 Aogositra 2018

Tsy manam-pitsaharana mihitsy ilay firenena ao Himalaya, raha ny fijery azy. Lavabe ny lisitr'ireo fijaliana iainan'i Nepal isanandro. Taorian'ilay fifamaliana momba ny toerana masina ao Pashupatinath, ny ezaka ho fandraisana miaramila ho ao amin'ny tafika nepaley sy ny tsy fisian'ny fahalinan'ireo mpitondra mba handrafitra lalam-panorenana vaovao, ankehitriny tratry ny onjanà hetsipanoherana mahery setra ilay firenena. Tsy lazaina intsony ny fahatapahan'ny herinaratra maharitra 16 ora isanandro.

Fihaonambe G8: Mbola toerana tsara kokoa ho an izao tontolo izao?

  24 Aogositra 2018

Nihaona tany Heiligendamm, Alemana tamin'ny herinandro lasa ny G8 (+5). Tonga tamin'ny fifanarahana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahantrana ao Afrika izay mety tsy ahafa-po ny ankamaroan'ny mpitsikera ny kapitalisma manerantany ireo firenena manan-karena indrindra manerantany .