Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2016
Tapitra Ny Hetsipanoherana Lavareny Nataon'i Irom Sharmila, Fa Mitohy Kosa Ny Tsimatimanota Miaramila Any Avaratra Atsinanan'i India
"Nampiasain'ireo media nasionaly [...] ho seho ny fifadiany sakafo, isantaona. Ny fifadiana hanina no nananganan-dry zareo tantara, fa tsy izay antony nifadiany hanina"
Tsikera Momba Ireo ‘Miaramila Tsimatimanota’ ao Kashmir Tantanin'ny Indiana
Tato anatin'ny herinandro vitsy, ankoatra ireo toeran-kafa, nisy ny hetsi-panoherana tao Delhi sy Calcutta, notakian'ny ny mpanao fihetsiketsehana ny fanafoanana ny AFSPA sy PSA sy fanesorana tsy misy hatak'andro an'ireo miaramila ao amin'ny faritra Kashmir.
Antso Ho an'ny Fikambanana Iraisampirenena Mba Hirotsaka An-tsehatra Ao Gambia Noho Ny Fanagadrana Mpanohitra
Mahatonga ireo mpiserasera miahiahy momba ny fiharatsian'ny zon'olombelona ao Gambia ny sazy an-tranomaizina henjana ho an'ireo mpitarika ny mpanohitra sy ny mpikatroka.
Manohy Ny Famoriam-bahoaka Ireo Mpanohitra Ao Maldiva Na Dia Teo Aza Ny Fanakanana Nataon'ny Governemanta
"Manao ny tsikera ho heloka bevava i Yameen ....ao anatin 'ilay drafitra fanavaozana ."
Mitokona Manerana ny Firenena Ireo Mpamily Kamiao ao Kolombia
Nitokona nanomboka tamin'ny voalohan'ny herinandron'ny volana Jiona 2016 ny sendikàn'ny mpitondra kamiao sy ny mpitatitra entana ao Kolombia, niteraka vesatra goavana ho an'ny toekarem-pirenena izany.
Nakaton'i Etiopia Ny Fifandraisana Nomerika Taorian'ny #OromoProtests

Niteraka fikasana isan-karazany teo amin'ny governemanta mba hametra ny fifamoivoizana nomerika sy hanakatona ireo tolotra telecom ao Oromia ny votoaty tsy tapaka momba ny #OromoProtests..
Taorian'ny Fihetsiketsehana, Najanona Tampoka Ny Fikasan'ny Governemanta Makedoniana Hahazo Fampindramam-bola Vahiny Eurobond
"Mety handao ity firenena ity ny atsasaky ny olona mana-tsaina alohan'ny taona 2020:" hoy ny olom-pirenena iray naneho hevitra manoloana ny haben'ny trosa tsy maintsy haloanay amin'izany taona izany.
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Fahafahana, Fa Tsy Fifehezana
Amin'ity herinandro ity izahay hitondra anao any Kashmir fehezin'i India, Nepal ary Shina. .
Tsy Manaiky Ny Hamerenana Indray Ny Tolotra Eurobond Ataon’ Ny Governemanta Ny Mpanao Fihetsiketsehana Makedoniana
Nitsikera ny fitombon'ny trosan'ny Makedonia avy any ivelany ireo mpikatroka ao amin'ny hetsika fantatra amin'ny antsoina hoe "Revolisiona Maro Loko" , ary nilaza fa tsy hahomby ny famatsiam-bola vaovao rehetra raha mbola ny governemanta amin'izao fotoana no eo amin'ny fahefana.
Mitaky Ny Rariny Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Vietnamiana Na dia Eo Aza Ny Fandaminan'ny Governemanta Mikasika Ny Fahafatesan'Ireo Trondro
"Tsofy ny kiririokanao mba hitaky ny mangarahara, tsofy ny kiririokanao mba hitaky ny fahaveloman'ireo trondro, tsofy ny kiririokanao mba hanatsahatra ny Formosa."