‘Revolisiona Lohataona’ Myanmar any Etazonia

 

Anti-junta protest during APEC summit

Nanao fihetsiketsehana nandritra ny vovonana APEC ireo mpikatroka mba hanamelohana ireo orinasa sy governemanta mamatsy solika ampiasain'ny fiaramanidina sy fitaovam-piadiana ho an'ny fitondrana miaramila ao Myanmar. Sary avy amin'ny Sendikan'ny Mpianatra Myanmar, nahazoana alalana

Nanohana ny hetsika mpandala ny demokrasia ao Myanmar tamin'ny alalan'ny fikarakarana hetsi-panoherana sy fanabeazana ara-politika hanentanana ny vondrom-piarahamonina am-pielezana ireo mpikamban'ny Sendikan'ny Mpianatra Federasiona Burma manontolo monina any Etazonia izay fiaraha-mientan'ny mpianatra Birmana.

Anisan'ny “Revolisiona Lohataona” ireo tanora mpikatroka ireo, anarana entina hanoherana ny fitondrana miaramila manerantany izay nahazo ny fitondrana tao Myanmar tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny volana Febroary 2021 izany.

Nandritra ny Vovonan'ny Fiaraha-miasa ara-toekarena Azia sy Pasifika (APEC)  natao tao San Francisco, Kalifornia tamin'ny volana Novambra, anisan'ireo nanao fihetsiketsehana nanameloka ireo orinasa sy governemanta izay manohy mamatsy solika sy fitaovam-piadiana miaramila ho an’ny fitondrana miaramila ireo mpikatroka Myanmar.

Niantsafa tamin'ireo mpikatroka Myanmar vitsivitsy ny Global Voices izay nizara ny fampielezan-keviny sy ny hetsika nataony mba hampiharihariana ny habibian'ny fitondrana miaramila sy hampiroboroboana ny tanjon'ny “Revolisiona Lohataona”. Namaly ny fanontaniana nalefan'ity mpanoratra ity tamin'ny alàlan'ny sehatra media sosialy ny solontenan'ny Sendikan'ny Mpianatra Myanmar.

Mong Palatino (MP): Ahoana ny fomba hanohananareo ny ‘Revolisiona Lohataona’ amin'ny maha tanora mpikatroka anareo any Etazonia?

Myanmar Student Union (MSU): Sharing what’s currently happening in Myanmar and the history of how we got [to] the present wherever we can, in the classrooms, the streets and online to bring people together for the Spring Revolution. As activists in the Myanmar Spring Revolution we wage campaigns, build organizations, and carry out the policies of All Burma Federation Students Union.

Mobilizing migrant youth/ students from Myanmar (a lot of recent arrivals) to wage campaigns to isolate the fascist armed forces and to expose the enablers of Fascist Myanmar Junta. By linking up with other oppressed peoples of the world to interrelate and amplify our calls. (Our enemies work together)

Sendikan'ny Mpianatra Myanmar (MSU): Zarainay ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao ao Myanmar sy ny tantaran'ny fomba nahatongavanay [mandraka] ankehitriny na aiza na aiza azonay hanaovana izany, na any an-dakilasy, na eny an-dalambe ary na an-tserasera mba hanangonana ny olona ho amin'ny Revolisiona Lohataona. Manao fanentanana izahay  amin'ny maha-mpikatroky ny Revolisiona Lohataona Myanmar anay, manangana fikambanana ary manatanteraka ny politikan'ny Sendikan'ny Mpianatra ao amin'ny Federasiona Burma iray manontolo.

Hetsehinay ireo tanora/mpianatra mpifindra monina avy any Myanmar (maro no vao tonga) mba hanao fanentanana hanilihana ny tafika mitam-piadiana fasista ary hampiharihariana ireo Miaramila Fasista Myanmar. Amin'ny alalan’ny fampifandraisana anay amin'ireo vahoaka ampahorina hafa eto amin'izao tontolo izao no hifandraisanay sy hanamafisanay ny antsonay. (Miara-miasa ny fahavalontsika)

Shutdown APEC

Nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana ‘fampitsaharana ny APEC’ tao San Francisco, Kalifornia ireo mpikatroka Myanmar. Sary avy amin'ito mpanoratra ito

MP: Inona no zavatra/hetsika nokarakarainareo nandritra ny herinandron'ny APEC mba hanasongadinana ny fanoherana ny fitondrana miaramila?

MSU: November 11th we organised the People’s Summit and held one workshop sharing about the Myanmar Spring Revolution and current issues of the dictatorship and how APEC including the ASEAN [Association of Southeast Asian Nations] member states have colluded with the Fascist Myanmar Armed Forces. Our Youth Workshop was conducted linking the different struggles with the Youth of the National Democratic Movement, and Youth Movements in the US fighting against exploitation and oppression.

We led a die-in during the shutdown of the CEO Summit meetings in San Francisco. Our calls were to Stop Jet Fuel and Arms Sales to the Fascist Myanmar Junta.

MSU: Tamin’ny 11 Novambra no nikarakaranay ny Vovonan'ny Vahoaka ary nanaovanay atrikasa fifampizaràna momba ny Revolisiona Lohataona Myanmar sy ireo olana ankehitriny momba ny jadona ary ny tsikombakomban’ny APEC, anisan'izany ireo firenena mpikambana ao amin'ny ASEAN [Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimo Atsinanana] tamin'ny Tafika Mitam-piadiana Fasista Myanmar. Natao ny atrikasa ho an'ny tanora hampifandraisana ireo tolona samihafa amin'ny Tanora ao amin'ny Hetsika Demaokratika Nasionaly, sy ny Hetsiky ny Tanora ao Etazonia miady amin'ny fanararaotana sy ny famoretana.

Nitarika fihetsiketsehana misary maty izahay nandritra ny fanakatonana ny fivorian’ny Vovonana CEO tany San Francisco. Ny hampitsaharana ny fivarotana solika ho an’ny fiaramanidina sy ny fitaovam-piadiana ho an’ny Miaramila Fasista Myanmar ny antso nataonay.

Myanmar Spring Revolution slogan

Nandritra ny atrikasa manohitra ny vovonana APEC, nanasongadina teny filamatra malaza momba ny ‘Revolisiona Lohataona’ ireo mpikambana ao amin'ny MSU. Sary avy amin'ito mpanoratra ito.

MP: Manao ahoana ny fihetseham-pon'ny vondrom-piarahamonina am-pielezana Myanmar any Etazonia?

MSU: The overseas Myanmar community since the first day of the Military coup d'etat has been organising to demand for democracy and human rights in the homeland. The overwhelming support, protests and political education of the overseas Burmese community for the Spring Revolution has been critical to our victories. An ongoing general strike [almost 3 years] has brought the military junta’s civil administration to a halt and overwhelming territorial gains by the Spring revolutionary forces and indigenous/ ethnic revolutionary organisations.

MSU: Nikarakara ny fitakiana ny demokrasia sy ny zon'olombelona tany an-tanindrazany ireo vondrom-piarahamonina Myanmar any ampitan-dranomasina hatramin'ny andro voalohany tamin'ny fanonganam-panjakana miaramila. Tena zava-dehibe ho an’ny fandresenay ny fanohanana faobe, ny hetsi-panoherana ary ny fanabeazana ara-politikan'ny vondrom-piarahamonina Birmana any ampitan-dranomasina ho an'ny Revolisiona Lohataona. Ny fitokonana faobe mitohy [efa ho 3 taona] no nanozongozona ny fitantanan-draharaham-panjakana sivilin’ny fitondrana miaramila ary nahazo fandresena betsaka isam-paritra ny hery revolisionera Lohataona sy ireo fikambanana revolisionera teratany/ foko.

Nandritra ny atrikasa manohitra ny vovonana APEC, nihira ireo mpikambana MSU nanomezam-boninahitra ireo tanora maritiora tamin'ny ‘Revolisiona Lohataona’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.