Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2016
Rakotry ny Irakiana Mpanao Fanoherana Ny Parlemanta; Nambara Ny Fepetra Amin'ny Tany Misahotaka
Anjatony maro ireo Irakiana nibosesika tao amin'ny tranoben'ny Parlemanta, ao anatin'ilay Faritra Maitso tsara aro ao Baghdad, ho fanoherana ny fikatsoan'ny fanendrena ny governemanta vaovao androany. Navoaka ny fepetra amin'ny tany misahotaka
Hetsi-Panoherana Miboridana Nisarika Ny Saina Ho Any Amin'ny Kolontsaim-Panolanana Ao Amin'ny Onivesiten'i Rhodes Ao Afrika Atsimo
Maninona no manohina anao ny vehivavy manana finiavana hampiseho ny vatany, nefa ny herisetra nihatra taminy tsy mampaninona anao?
Ampangain'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana ny “Faritra Havanana” Ho Nampiasa Ny Media Sosialy Hanonganana An'i Kremlin

Nilaza ny Lehiben'ny Fampanoavana fa nampiasa ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte ny mpikambana ao amin'ny "Faritra Havanana" hamoronany pejy azon'ny daholobe idirana ho mpikambana sy hanomanany " korontana faobe ary hetsika tsy nahazoana alàlana"
Mihamahazo Vahana ny Fihetsiketsehana ao Makedonia Rehefa Nambara Ny Hisian'ny Fifampiraharahana Ara-Politika Vaovao
An'aliny ireo Makedoniana nidina an-dalambe hatramin'ny nanambaran'ny filoha ny fanapahan-keviny hamindra fo amin'ireo manampahefanan'ny governemanta voampanga ho nanao kolikoly sy nanao fihoaram-pahefana, mba tsy ho tratran'ny fitsarana.
Miady Ho Fiarovana Ny Honko Lalainy Ny Fokonolon'i Cancun, Meksika
"Miezaka ny hanavotra ilay alan-konko ny olona, indrindra fa ny tanora. Nandainga taminay ny governemanta. Fahafaham-baraka ny fahasimbana navelan'izy ireo."
Velona Ny Tehaka Sy Ny Hiaka Fa Fanesorana Akanjo No Nakan'Ilay Ongandey Vehivavy Mpikaroka Indray Ny Biraony
"Our society really needs to stop objectifying women!We need to understand them through the lens of intellectualism not sexism.#RotAtMISR" "Ny fiarahamonintsika tena mila tsy mihevitra intsony ny vehivavy ho toy ny zavatra! Mila mahafantatra azy ireo isika amin'ny fijery ara-tsaina afatsy ara-nofo.#RotAtMISR "
Tsy Mbola Vitan'ireo Afrikàna Shiliana Ny Tolony Hanana Solontena Amin'ny Fanisam-bahoaka Nasionaly Manaraka
Miaraka amin'ny tsy fanekena vaovao ataon'ny Ivontoerana Nasionaly amin'ny Antontanisa, manokatra andalany vaovao amin'ny tolona ataony ireo taranaka avy any Afrika any Shily mba hampidirana ny vondrom-piarahamoniny ho ao anatin'ny fanisambahoaka ny taona 2017.
Mitaky ny Fialàn'i Sisi Ny Fihetsiketsehana Ao Ejipta Noho Ny “Famarotana” Nosy Amin'i Arabia Saodita
"Mitombo arivo ny isa ary mihafamafy ny hiaka manao hoe: "Mitaky ny firodanan'ny fitondrana ny olona."
Nanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Andro Maromaro Ny Tanàna Amazoniana Ao Pucallpa, Saingy Tsy Mba Nilaza Momba Izany Ny Fampahalalam-baovao
"Miditra amin'ny andro fahaenina ny fitokonam-paritra ao Pucallpa ary tsy misy na dia vaovao iray momba izany aza amin'ny fandaharana Alahady."
Famoretana Ny Media Ao Maldives Nitondra Ho Amin'ny Fanakatonana An-Terisetra Sy Fisamborana Mpanao Gazety

Nampiasa herisetra ireo polisy mpandrava korontana ary fitsifotra misy dipoavatra sy fisavàna vatana tamin'ireo mpanao gazety lahy sy vavy, izay niasa avy amin'ireo fikambanana media maromaro eo an-toerana